« Hatraiza no mety ho fampiharana ny fanilo miampita mba tsy ho lasa fanadino ? ». Io no lohatenin’ny velan-kevitra teo anivon’ny Akademiam-pirenena Malagasy natao tetsy Tsimbazaza niaraka tamin’ny filohan’ny antenimierandoholona ny sabotsy teo.
Liana te- hahalala ny tantaram-pirenena ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ny tanora, ka horaketina atao boky ireo antontan-kevitra nivoitra nandritra ny fikaonan-doha teny amin’ny Ivontoeram-pirenena mba hahatsapan’ny vahoaka ny fitiavan-tanindrazana, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré. Tompon’andraiki-panjakana maro sy mpikambana mpandinika ny raharaham-pirenena, olon-tsotra miisa 45 no nanatrika ny vela-kevitra mikasika ny faha-70 taonan’ny tolom-panafahana ny taona 1947, ka mba hiampita ny fanilo ny lasa tsy fanadino. Farany, tonga niondrika teo anoloan’ny nofo mangatsiakan’i tompokovavy Raharison Ranoroarifidy Lala Yvonne Herisoa Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny loholona ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky taorian’izay, tetsy Ambohidahy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.