Politique

Honoré Rakotomanana Nanazava ny momba ilay “Fanilo miampita”


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

« Hatraiza no mety ho fampiharana ny fanilo miampita mba tsy ho lasa fanadino ? ».

Io no lohatenin’ny velan-kevitra teo anivon’ny Akademiam-pirenena Malagasy natao tetsy Tsimbazaza niaraka tamin’ny filohan’ny antenimierandoholona ny sabotsy teo. Liana te- hahalala ny tantaram-pirenena ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ny tanora, ka horaketina atao boky ireo antontan-kevitra nivoitra nandritra ny fikaonan-doha teny amin’ny Ivontoeram-pirenena mba hahatsapan’ny vahoaka ny fitiavan-tanindrazana, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré. Tompon’andraiki-panjakana maro sy mpikambana mpandinika ny raharaham-pirenena, olon-tsotra miisa 45 no nanatrika ny vela-kevitra mikasika ny faha-70 taonan’ny tolom-panafahana  ny taona 1947, ka mba hiampita ny fanilo ny lasa tsy fanadino. Farany, tonga niondrika teo anoloan’ny nofo mangatsiakan’i tompokovavy Raharison Ranoroarifidy Lala Yvonne Herisoa Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny loholona ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky taorian’izay, tetsy Ambohidahy.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT