Politique

Honore Rakotomanana Nanakiana ny mpanohitra


  • Zoma 16 Septambra 2016

Nankalazaina omaly alakamisy 15 septambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia, nanamarika izany koa isika.

Nomarihina tamin’ny famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny lapan’ny antenimierandoholona Anosikely izany. Nandritra io fotoana io no nitondran’Andriamatoa Honoré Rakotomanana ny heviny mikasika izany ka nilazany fa ny demokrasia tafahoatra dia mamotika ny demokrasia, izay midika fa misy fetrany ny demokrasia sy ny fahafahana. Nitondra kihana nivaivay ho an’ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ihany koa ny tenany. Nambarany fa tsy demokrasia ny famoriana olona isam-pokontany izay sokajiany ho fitarihana ny olona hilahatra hanongana ny filoham-pirenena. Raha ny fanehoan-kevitr’ity filohana andrim-panjaka ity dia misy fanambazana vola ao ambadika ny hetsiky ny mpanohitra. Ny hita aloha dia miaro fahatany ny fanjakana ny tenany ka manameloka sy miezaka manaratsy ireo manelingelina ny fitondrana. Na inona na inona fanazavan’ny mpitondra dia tamin’ity fitondrana ity no tena nanjakan’ny jadona teto amin’ny firenena toy ny fanagejana ny serasera, fampiasana herim-pamoretana, tsy fanajana lalàna. Ekena fa nisondrotra kely ny laharan’i Madagasikara saingy tsy ampy handrefesana ny fampanjakana ny demokrasia izany. Raha tany amin’ny laharana faha-117 mantsy isika dia niakatra kely ho laharana 103 amin’ny firenena 165. Tsy tokony hirehareha amin’ny laharana azo ny mpitondra fa tokony ho menatra aza noho ny fanasokajian’ny Malagasy ny fanjakana ankehitriny ho mpanao letrezana sy amboletra na fanjankana jadona.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT