Politique

Honoré Rakotomanana Misoroka ny fanaparam-pahefana ny «régime mixte»


  • Alarobia 22 Septambra 2010

Ilay «régime mixte» na fifamenoan’ny fahefana no nosafidian’ny mpizaika teny amin’ny fihoanambem-pirenena fa hampiharina eto Madagasikara ho fototry ny Repoblika faha-4.

Araka ny fanazavan’i Honoré Rakotomanana, izay manampahaizana momba ny lalàna no sady anisan’ireo nanoratra ny lalampanorenan’ny Repoblika faha-3, dia io aloha no mety amintsika amin’izao fotoana satria efa hita fa nanimba zavatra teo ilay «régime parlementaire» tamin’ny andron’ny profesora ZafyAlbert sy ny «régime présidentiel fort» tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana. Amin’ity endrim-pitantanana amin’ny repoblika vaovao ity mantsy dia mifameno ny fahefana ary tsy maintsy miara-miasa ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna. Fidian’ny vahoaka mivantana ny filohan’ny Repoblika, manendry ny praiminisitra izy, saingy praiminisitra voafidy teo anivon’ny Antenimieram-pirenena no tendreny, ary raha ny tena izy aza dia tsy tokony hitovy antoko amin’ny filoha ny praiminisitra.

Ny tsy nampety ny teo aloha mantsy, araka ny fanazavan’i Honoré Rakotomanana dia mirona tsimoramora any amin’ny jadona ilay filoha, satria be loatra ny fahefana eo am-pelatanany, maro an’isa ny antokony ao amin’ny Parlemanta, hany ka milamindamin-tsaina ny governemanta satria tsy ho tratry ny fitsipaham-pitokisana mihitsy, ary ankatoavina hatrany izay hevitra arosony. Ny Parlemanta rahateo moa tsy afaka manongana ny filoha, izay no zava-nisy tamin’ny fitondrana teo aloha. Fa nandritra ny Repoblika faha-3 tapany voalohany notarihan’ny Pr Zafy Albert kosa dia lasa fitaovana politika nandrodanana ny filoha ny Antenimieram-pirenena, noho ilay fivadibadihana palitao ataon’ny depiote sy nampiharana ilay «majorité à géométrie variable». Mieritreritra azy ireo ho tompon’ny fahefana ny solombavambahoaka.

Samy tsymety amintsika ireo endrim-pitondrana roa hitantanana nyrepoblika ireo, ka izay no antony nijerana sy nandaniana ny elenelam-panahy eo amin’izy roa. Amin’ity «régime mixte» ity mantsy dia afaka manala ny filoham-pirenena ny Parlemanata raha tena mibaribary ny tsy mety ataony, afaka mandrava ny Paremanta koa anefa ny filoha. Na izany aza anefa dia nanamarika i Honoré Rakotomanana fa tsara daholo ny rijan-teny rehetra rehefa vakiana, fa any amin’ny fampiharana azy hatrany no olana eto amintsika. Tokony hizotra tsara ny fiainam-pirenena, araka ny filazany rehefa voahaja avokoa ny lalàna rehetra, ary tokony manaja izany na ny mpitondra na ny vahoaka.
 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT