Mananontanona an’i Honoré Rakotomananana, Filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny ny fanonganana azy tsy ho filohan’io andrim-panjakana io raha ny resaka sy ny vaovao nivoaka tato ho ato.
Ireo olon’ny HVM nametraka azy teo ihany no voalaza fa mikotrika izany ka niantsoany ny rehetra handala ny fahamarinana. Na ny tenany aza moa dia efa nilaza fa misy tokoa ny finiavana hanonganana azy. Vita ve ny nilan’ny HVM ny tenany ka hodakana toa an-dry Nivo Ratiarison izay efa any am-ponja izy ? Efa iaraha-mahalala rahateo fa zary lamaodin’ny mpitondra ankehitriny ny mitsipa-doha laka-nitana. Tsy fantatra mazava izay antony hanonganana azy. Efa mandeha ny resaka fa ny Loholona avy any Fianarantsoa, Riana Andriamandavy 7 no mety hasolo ny toerany. Anisan’ny mpanohana mahafatra-po ny filoha ity farany ary efa sahy niteny mihitsy fa aleony maty toy izay ny vahoakan’i Fianarantsoa no hanongana an-dRajaonarimampianina. Mety ho tambin’izany ve ny hampiakarana ny toerany raha tena marina ilay resaka mandeha ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.