Mety mbola hisy ihany ny fikitihana ny volavolan-dalŕmpanorenana, araka ny filazan’i Honoré Rakotomanana azy, tsy fanovana anefa io atao io fa fanamboarana ny firafitry ny soratra ao amin’izany lalŕmpanorenana izany fotsiny.
Manana ny fomba fijeriny amin’ny fandaminana tokony hatao mantsy ny governemanta sy ny filoham-pirenena, araka ny filazan’ity mpahay lalàna ity ka izay no mety hampisy ity fanamboarana ny endriky ny volavolan-dalàmpanorenana ity. Tsara homarihana anefa, araka ny filazany ihany fa tsy misy azo kitihana intsony ny foto-kevi-dehibe efa tapaky ny maro an’isa tany amin’ny fihaonambem-pirenena izay naravon’ny Komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana na ny CCC tamin’ireo soso-kevitra voarainy teny Tsimbazaza. Tsy zava-baovao mihitsy izany fa efa fomba fanao hatrizay amin’ireo volavola-dalàna mialoha ny handaniana azy, hoy ihany i Honoré Rakotomanana. Raha izay no izy dia mety haverina kely any amin’ny CCC indray aorian’ny fandalovany eo amin’ny filankevitry ny minisitra, ny volavolan-dalàmpanorenana izay vao ho vita tanteraka ny fandrafetana azy ary dia ho raikitra amin’izay ny propagandy, mialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra ho avy izao (izay tokony hisokatra amin’ny sabotsy 02 oktobra 2010). Manantena kosa anefa ny rehetra fa na dia eo aza izany fikitihana ny volavolan-dalampanorenana izany mba hahatsara bika azy dia tsy hisy fanovana marina ny tena votoatiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.