Manoloana ny siosion-dresaka mikasika ny fandroahana mpiasa miisa 200 eo anivon’ny antenimieran-doholona dia nampivory ireo mpiara-miasa rehetra teo anivon’ity antenimiera ity, io omaly io, ny filohan’izy ireo,
Honoré Rakotomanana, niaraka tamin’ny kestora voalohany, Mouhamed Mourad Abdirassoul. Ny hanazavana ny sain’ireo mpiara-miasa moa no tanjona, raha ny fanazavana, satria dia tsy hisy fandroahana izany, hoy izy ireo raha tsy ao aorian’ny fanadihadian’ny Bianco sy ny sampana mpanara-maso ny asa. Ireo mpiara-miasa izay tratra fa diplaoma sandoka ihany anefa no ho voakasik’izay fandroahana izay, raha ny fanazavana. Ankoatra izay moa, dia nilaza ihany koa ny filohan’ity andrim-panjakana ity fa dia mahantra ny senat ankehitriny. Tsy toy izao, hoy izy, ny tamin’ny 2001 sy 2009. Isan’ny nitarainany tao ny tsy fisiana fiara mpitatitra intsony ary dia nampirisika ihany koa ity filoha ity ny amin’ny mba hitakian’ireo mpiara-miasa amin’ny tambin-karama farany ambony satria mendrika izany, hoy izy, ny mpiasan’ny antenimiera.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.