Miditra tamin’ny fivoriana ara-potoana faharoa nanomboka omaly ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona ka haharitra 60 andro izany
. Isan’ny volavolan-dalàna izay efa vary mangatsiaka tamin’ny fivoriana farany ny fandinihana ny mikasika ilay Fitsarana manokana momba ny heloka ara-ketra sy ara-toekarena ankoatra ny tetibolam-panjakana 2017. Efa natao izay nampandaniana io lalàna io tamin’ny fivoriana teo aloha saingy nahemotra. Maro no mahatsapa fa ambadika politika no antony hananganana ity fitsarana manokana ity satria misy olona tian’ny fanjakana henjehina. Voalohany amin’izany i Marc Ravalomanana tompon’ny orinasa Tiko izay ambara foana fa mbola ananan’ny fanjakana trosa. Kendrena halentika amin’ny alalan’ny fampiasana ity Fitsarana manokana hatsangan’ny mpitondra ity ny tenany raha ny resaka efa mandeha, ary mety hiafara any amin’ny fanagiazan’ny fanjakana ny fananany na fanagadrana azy mihitsy aza ny raharaha. Mitovitovy amin’izany ihany koa ny mahakasika an’i Andry Rajoelina izay mpandraharaha ihany koa ary ketrehina mafy izay hahitana hirika hamelezana azy amin’ity fitsarana manokana ity. Efa mandeha ny feo amin’ny filazana fa nisy ny fanodikodinam-bola nataony tamin’ny naha filohan’ny tetezamita azy ka tsy maintsy hogadraina izy.
Tanjona ny hanaovana kapa ranjo mba hisakanana an’ireo mpanao politika roa izay samy manana ny tanjany ara-politika ireo. Tsy ho resin’ny HVM amin’ny fifidianana izy ireo rehefa atao ny tombatombana. I Marc Ravalomanana dia efa ela no nanambara ny ho firotsahany ary iaraha-mahita ny tanjany ka n’aiza n’aiza aleha dia maro hatrany ny mpanohana ka very hevitra amin’ny hisakanana izany ny fanjakana. Na tsy mbola nanambara ofisialy ny ho firotsahany aza i Andry Rajoelina dia maro manombana fa anisan’ny hirotsaka izy ary mbola manana ny tanjany ara-politika na efa nizarazara aza ny mpanohana azy. Izy roalahy ireo no tena manelingelina ny HVM ka atao izay handetehana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.