Hoavin’ny Firenena

Potika raha tsy ny fanabeazana no hamolavolana izay hitondra


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2024

Nomarihina ny 5 oktobra 2024 teo ny andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra.

Isan’ny nanamarika izany isika teto Madagasikara. Nisy ny hetsika notontosaina, noho izany, tetsy amin’ny ISTS Andoharanofotsy. Iarahantsika mahita amin’izao fotoana izao, hoy ny mpikarakara ny hetsika, fa marary ny fanabeazana eto Madagasikara. Tsy misy afa-tsy ny fanovan-drafitra ihany no hahafahana manarina an’i Madagasikara. Ilay olombelona miaina eto amin’ny firenena no resahina eto. Rafi-panabeazana mifanaraka amin’ny filàn’ny malagasy no tokony ho entina mampianatra. Nilaza ny minisitry ny fanabeazana tamin’ny andron’ny PSE fa tsy misy dian-tanany na ny kely aza iny PSE iny fa ireo atao hoe mpamatsy vola avy any ivelany na ireo mpiara-miasa amin’i Madagasikara no namolavola azy iny. Mbola dika mitovy amin’ny avy any ivelany izany ireny ka antony ilazàna hoe tsy misy afa-tsy ny rafi-panabeazana miainga ifotony eto amin’ny firenena no anabeazana ny malagasy vao mandeha amin’izany fandrosoan’ny olona tsirairay izany isika satria izany Madagasikara tsy maintsy mandroso izany dia ny olona no mila ampandrosoana mba ho fitaovana hahafahana mampandroso. Mila ovaina izany ny rafi-panabeazana sy fampianarana. Misy io izao ny LOSEM na «Loi d’orientation du système éducatif à Madagascar» dia ao izany izao ny adihevitra be. Ny fampiharana an’iny sy ny «chronogramme» izany izao no tena mahamaika eto Madagasikara. Miankina amin’ny zava-misy eto Madagasikara no tokony hanaingana ny fampianarana ny malagasy mba ho tia ny taniny izy. Ampianaro eto Madagasikara, ohatra, ny fitantanana ny ranomasina na ny fikojakojana io ranomasina io fa firy isan-jaton’ny malagasy moa no misitraka ny harena an-dranomasina eto Madagasikara? Misy tany manana harena an-kibon’ny tany betsaka toy ny safira sy andramena na Reniala sy Voamboana eto. Ny tany hanirian’ireny matetika dia feno harena an-kibon’ny tany. Sao isika mihevitra fa hiaraka haka sary amin’ny gidro sy rajako no tena anton-dian’ny vazaha eto fa hiketrika an’izany? Potika ny hoavin’ny firenena raha tsy ny fanabeazana no hamolavolana izay hitondra firenena, hoy hatrany ny mpanabe.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT