Antomotra ny 22-27 novambra, fotoana handraisan’i Madagasikara ny andiany faha-16 amin’ny Fihaonana an-tampon’ny Frankofonia kanefa tsy mbola misy zavatra matotra ny fanomanana rehetra raha ny fahitana azy ankehitriny.
Na ny fotodrafitrasa, na ny filaminana, na ny fampiantranoana ankampobeny dia tsy misy tokotaniny. Mametraka ny ahiahiny manoloana izany ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy na ny FIVMPAMA. Tokony hilaza ampahibemaso ny tena zava-misy marina ny filoham-pirenena amin’ny mety tsy handraisantsika ity fivoriana ity na ny mety ho fanemorana izany raha ny fanehoan-kevitr’izy ireo tamin’ny alalan’ny filohany Atoa Erick Rajaonary omaly. Mandeha rahateo mantsy ny feo amin’ny mety hamindrana azy any Kanada ka mampitombo ny ahiahin’izy ireo. Ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny no tena manana ahiahy betsaka amin’ity Frankofonia ity. Tsy fantatra hatramin’izao ny hotely sy efitrano ilaina, hoy hatrany Atoa Erick Rajaonary. Raha tokony handray famandrihan-toerana izy ireo kanefa lavina dia ho fatiantoka raha toa ka tsy ho raikitra akory ity Frankofonia ity. Manaporofo ny tsy fahamatoran’ny mpitondra sy ny tandrametaka eto amin’ny fierenena ny zava-misy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.