Politique

Ho avy ny sazy Tsy handefitra intsony ny GIC


  • Talata 16 Martsa 2010

Tsy mieritreritra ny hanome fanampim-potoana ho an’ny ankolafy Andry Rajoelina intsony ny avy ao amin’ny GIC – M, na ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena momba ny krizy eto Madagasikara.

Izay no tsiliantsofina re avy any amin’ny foiben’ny Vondrona Afrikanina avy any Addis Abeba. Efa nazava sy nahitsy moa ny fehin-kevitry ny Vondrona Afrikanina sy ireo fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa, fa dia ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba ihany no azo ekena amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara, io no lalana tsara indrindra sy mety ho an’ny Malagasy amin’izao fotoana ary hevitra avy amin’ireo ankolafy maro no nentina niadiana hevitra fa tsy sanatria hevitr’olom-bitsy tahaka ny tsaho, ezahan’ny sasany aely. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana dia efa ao am-pandrafetana ny lisitra fanampiny indray, ho an’ireo olona niray tsikombakomba tamin’ny ankolafy Rajoelina ka nahalatsaka an-katerena ny firenena tahaka izao sy nampikatso ny fifampidinihana, ny eo anivon’ny GIC- M sy ny Vondrona Afrikanina.

Tapitra rahateo moa ny fe-potoana nomena ny ankolafy Rajoelina, ka dia tsy hisy intsony izany ny ala nenina fa hilatsaka amin’izay ny sazy ho an’ny mpitondra tetezamita sy ireo niray tsikombakomba taminy. Tsy afaka ny hivoaka an’i Madagasikara intsony izy ireo, ary tsy afaka ny handray anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena rehetra. Re ihany koa izao fa mety hisy ireo firenena sasany, hanapaka ny fifandraisana ara-diplomatika amin’i Madagasikara, noho ny maha tsy ara-dalàna ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana. Raha mbola manao be marenina ka tsy mety mihaino ny hevitry ny hafa ny HAT, dia ho avy koa ny fanapahan’ireo firenena ireo ny fifanakalozana ara-barotra amin’i Madagasikara. Sazy miantefa mivantana amin’ny manampahefana no voalaza fa ampiharina, saingy fanombohana fotsiny izany, fa tsy maintsy ho avy ny an-kivy ara-toekarena amin’ny firenena raha tsy miova hevitra sy tsy manaraka ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniaviny i Andry Rajoelina.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT