Politique

Ho avy i Dada Faly sahirana ny zanany


  • Alakamisy 21 Jolay 2011

“Ela niandrasana izahay, izay vao ho tonga i Dadanay”.

 Io no fehezanteny tsy afaka ambavan’ireo mpiara-dia sy mpanohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana any Tolagnaro. Ireo tanora very asa, ireo mpianatra manina ny “kits scolaires”, ireo mpandraharaha ara-toekarena, indrindra ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy dia samy maniry ny hiverenany avokoa. Fantatra io tamin’ny fotoana nandalovan’ireo mambran’ny governemanta tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Na tsy dia miseho loatra aza ny mpikambana Tiako I Madagasikara any an-toerana, dia mbola mijoro ary mitana ny teny nomeny dia ny fanohizana ny lalana efa natombony nandritra ny fito taona nialoha ny taona 2009. “Avelao handeha izay hamadika palitao fa izahay dia miaraka amin’i Dada”, hoy izy ireo.

Maniry ireto farany mba ho ao Tolagnaro no toerana higadonany amin’ny fotoana hiverenany an-tanindrazana indray. Notsindrian’ireo mpikambana mpiara-dia amin’ny filoha Marc Ravalomanana hatrany fa matoa tsy sahy mandalo tany amin’ny faritra Anôsy ny filohan’ny FAT, hatramin’izay telo taona nanonganany ny fitondrana ara-dalàna izay, dia satria fantany tsara fa mbola miara-dia amin’ny Dadany ny ankamaroan’ny vahoakan’Anôsy. Na izany aza dia mahatsiaro ho sahirana ihany ireo zanak’i Dada any amin’ny faritra Anôsy satria tsy mbola mipetraka ny rafitra vaovao, ka maniry ny hidinan’ireo mpitarika ny ankolafy mpiara-dia amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny any an-toerana, hoy hatrany ireo akanga sisa nanamborana.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT