Ny fanitsakitsahina ny zon’olombelona sy ny Fahafahana, ny fampihorohoroana sy ny fandrahonana hatramin’ireo mpitondra fivavahana, ny tsy fijerena ireo gadra politika 2009-2010 : ireo no votoatin’ny taratasy, antso avo nalefan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Tsy misy intsony ny fahalalahana maneho hevitra. Ireo mpitandro ny filaminana no ampiasaina hampihemotra ireo miezaka maneho hevitra hoy ny votoatin’ilay taratasy. Porofon’izany, hoy ny Hmf, ny fanagiazan’ireo mpomba ny FAT ireo haino aman-jerim-panjakana, ny tsy famelana na koa fanasarotana ny fahazoana alalana raha te haneho hevitra an-kalamanjana, eny hatramin’ny fiombonam-bavaka aza. Ny tena olana, hoy ny Hmf dia atao amin’ny anaran’ny lalàna avokoa izany rehetra izany. Tato anatin’ny tapa-bolana, hoy ireo raiaman-dreny ara-panahy dia tsy mitsahatra mahazo fandrahonana izahay momba izany fampiantsoana anay any amin’ireo mpitandro ny filaminana, ny mety hanamborana anay koa, noho ny antony tsy fantatra. Vokany, voatery nandao ny tokantranonay sy ny ankohonanay izahay, efa nisy fotoana 3 volana niery. Ankoatra izay, dia tsy rarahiana mihitsy ireo gadra politika vokatry ny raharaha 2009-2010.
Tsy misy fijerena ireo manao fitokonana tsy misakafo, eny hatramin’ireo efa marary. Na dia ireo nahazo fahafahana vonjimaika aza dia averina eny am-ponja indray satria misy fiampagana vaovaomipoitra foana. Manoloana ireo rehetra ireo dia miantso ireo firenena namana sy mpiray ombon’antoka amin’i Madagasikara ny Hmf mba handray ny andraikiny hampitsaharan’izao fitondrana izao ireo fomba mamohehitra tsy fampiasa amin’izao taon-jato faha-21 izao. Tokony hajain’i Madagasikara rahateo ireo fifanarahana iraisam-pirenena rehetra nosoniaviny na eo amin’ny lafiny zon’olombelona izany na ny resaka fahalalahana. Raha toa ka hitohy izao zavamisy izao, hoy ihany ny Hmf dia hiteraka fahavoazana tsy hita nonoa eo amin’ny fiainana ara-tsosialin’ny Malagasy. Ankoatry ny fanentanana ireo masoivoho vahiny, dia miroso amin’ny asa fitondrana am-bavaka ny firenena ny Hmf. Araka ny fantatra ihany koa dia tsy ho ela dia hisy indray fotoam-bavaka lehibe karakarain’ny Hmf.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.