Politique

Hivadi-dela indray Rajoelina ?


  • Alakamisy 06 Mey 2010

Tsy tafavoaka ny baolina, ary mieritreritra paikady hafa indray i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsaina azy. Araka ny tsiliantsofina re dia mety hivadi-dela (tahaka ny fanaony) indray ato ho ato ny filohan’ny HAT, ka hanaiky ny hifampidinika amin’ireo lehiben’ny ankolafy 3 sy ny mpanelanelana.

Iaraha-mahita mantsy ankehitriny fa vahaolana miteraka olana iray vaovao foana no avoakan’ny tetezamitan-dRajoelina ka vao mainka mampitombo ny fahorian’ny firenena sy ny vahoaka. Tafidi-kizo tanteraka ary mety latsaka anatina vela-pandrika mihitsy, araka ny filazan’ny mpandinika politika iray taminay, i Andry Rajoelina. Araka ny fanazavany mantsy dia : «efa fantatr’ireo mpanohana an-dRajoelina sy ireo mpanome toromarika azy fa tsy tafavoaka ny firenena ary tsy hisy mihitsy ny faneken’ny sehatra iraisam-pirenena ny tetezamita mijoro eo, raha tsy ampiharina ireo fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavin’ny lehiben’ny ankolafy 4, tsy inona izany fa ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. Mikaroka hevitra hafa ihany izy ireo saingy tsy nety tafavoaka. Rehefa fantany fa halohalika ny ranom-bary dia manao tahaka ny fanaon’ny mpilalao politika efa zatr’ady izy ireo dia ny fanilihana ny andraikitra any amin’olon-kafa. I Andry Rajoelina no olon-kafa tian-kambara eto». Midika izany fa ho tavela irery sy ho hitan’ny havany eo, araka ny fomba fiteny i Andry Rajoelina raha tsy mahay manapa-kevitra tsara, satria efa manana traikefa amin’ny famadihana palitao avokoa ireo olona manodidina azy. Na ahoana na ahoana endriky ny sori-dalana avy amin’ny HAT, dia ho sarotra ny fampiharana azy raha tsy manaiky ireo ankolafy telo sy ny sehatra iraisam-pirenena ka izay no mety haharesy lahatra an’i Andry Rajoelina mba hiverina hiara-hidinika amin’ireo filohan’ny ankolafy telo.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT