Miparitaka ny resaka fa hitobaka ny vola amin’ny taona 2017, satria efa miverina ny fiaraha-miasa amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena izay tapaka tamin'ny taona 2008
. Mety hevitra diso ihany anefa izany, ary izay no mahavoa an'ireo mpitondra nifandimby manome fampanantenana diso ny mpiray tanindrazana. Amin'izao fotoana izao moa dia kendan'ny teniny ny Filoha ankehitriny nilaza tamin'ny fampielezan-kevitra 2013 fa afaka telo volana dia hiravona ny olana amin'ny JIRAMA. Potika tanteraka io orinasam-panjakana io nefa tsy misy vola hanavaozana azy. Ny milina mihasimba, ny faktiora nefa tsy maintsy hakarina tsikelikely hanalana ny fanampian'ny Fanjakana izay manakaiky ny 400 Ariary isaky ny kWh, mikiky ny 1/5-n’ny kitapom-bolam-panjakana. Tsy ny JIRAMA irery no tratr'io olana io fa ny Fanjakana Malagasy iray manontolo na ny fampianarana. Tsy mahaloa ny karaman'ny mpampianatra ny Fanjakana ka niantso ny UNICEF. Ny fitsaboana, efa ny taona 1997 no nofoanana ny fitsaboana maimaimpoana na dia misoratra ao anaty Lalàmpanorenana aza izany.
Mitombo isan-taona ny filan'ny Malagasy nefa ny hetra tsy maharaka ka voatery mitombo koa ny fiankinana amin'ny findramam-bola any amin'ireo mpiray miombon'antoka. Dia izao indray misy mpanao politika milaza fa hitobaka ny vola ka hiadana i Madagasikara. Ilazao ny marina ny Malagasy. Afaka mieritreritra izy fa aza fahanana lainga intsony ! Ny marina dia tsy maintsy hakarina ny kitapom-bola mba hahazoana fahaleovantena ara-toekarena, ary amin'ny alalan'ny hetra ihany no azo anaovana an'io. Gaboraraka ny hetra teto Madagasikara nanomboka ny taona 1973. Ny fampiroboroboana ireo orinasa ihany ny vahaolana mba hahafahany mandoa hetra sy mamorona asa. Tsy hisy firenena handroso raha 90%-n’ny varotra tsy mandoa hetra, tsy hisy firenena handroso raha ny 2%-n’ny Malagasy no hiankinan'ny 98%.
Misy milaza fa hanankarena isika rehefa azo ny “Iles Éparses”, nefa tanibe 587.900 km2 aza tsy hita izay hanaovana azy ka hapetraka amin'ny 30ha ve ny fanantenana ? Misy ny milaza fa hitobaka ny solika nefa efa tamin'ny taona 1905 no fantatra ny fisian’izy io eto. Fasika (QMM) sy fotaka (Ambatovy) sisa no andry hiankinan'ny toekaren'i Gasikara, ka mba aoka ilay fampanantenana poakaty fa ho lasa paradisa i Gasikara manomboka ny taona 2017. Hifototra amin'ny Fanjakana tsy ho ela ihany io raha diso fanantenana ny Vahoaka. Mbola lavitr'ezaka ny lalana, indrindra ny fampianarana satria ireo taranaka ireo no mety hanandratra sy hitondra avo an'i Madagasikara any aoriana any raha tomombana ny fianarany. Ary amin'ny alalan'ny famokarana sy ny asa sy ny fandoavan-ketra ihany no hahafahana mampandroso an'i Madagasikara ... na tsia.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.