Taorian’ny fametrahana taratasy mangataka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nataon’ny filohan’ny antenimierandoholona mikasika ny raharaha loholona Lylison René de Rolland ny 27 janoary, dia namoaka ny heviny ity andrim-panjakana ity omaly.
Nivoitra nandritra ny fanambarana natao an-tsoratra fa tsy mahefa manoloana io raharaha io ny HCC. Manana fahefana feno kosa ny eo anivon’ity andrim-panjakana ity hampihatra ny fitsipika anatiny, raha haravona ny fanambaran’ny mpikambana eo anivon’ny HCC. Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny eo anivon’ny antenimierandoholona sisa ny hiazonana an’i kolonely Lylison ho loholon’i Madagasikara na dia teo aza ny fanohanana napetraky ny fianakaviany teny anivon’ny fitsarana. Ny minisitry ny fitsarana ihany koa dia efa nilaza ny alatsinainy lasa teo fa ara-dalàna tsara ny fitsarana natao, ka nanamelohana azy higadra an-tranomaizina 1 taona sazy mihatra. Iarahan’ny rehetra mahita tsara fa ny HVM no nametraka ny filohan’ny antenimierandoholona Honoré Rakotomanana teo amin’ny toerany, ny HVM no maro an’isa. Maro no mahita fa dia tsy ho sarotra ho azy ireo ny handroaka ny loholona Lylison tsy ho anisan’ny mpikambana eo anivon’ity andrim-panjakana ity amin’ny alalan’ny fampiharana ny fitsipika anatiny.
EFA HITA NY TOERANA MISY AZY
Raha ny loharanom-baovao iray, mbola eto Madagasikara ny kolonely Lylison, mety tsy lasa lavitra fa eto Antananarivo ary mialokaloka ao amina mpandraharaha iray. Azo natao tsara ny nitazona ilay olona nanatitra ny taratasy fanambaram-pananan’ity loholona ity satria azo antoka fa mahalala ny toerana misy azy ilay olona nampanaovina izany. Azo atao ihany koa ny misambotra ny vadiny noho ny mety ho firaisana tsikombakomba. Raha tontosa ny fampiharana ny fitsipika anatiny amin’ny fandroahana ireo loholona tsy tonga nivory teo amin’ity andrim-panjakana ity, dia vita hatreo izany ny amin’i kolonely Lylison, ary izay vao tena hihatra ara-bakiteny ny fanenjehana sy ny fanagadrana azy. Azo antoka fa manam-baovao matotra tsara momba ny toerana misy azy ny fitondram-panjakana ary tsy ho ela dia hosamborina izy raha tena hotanterahina marina ny fisamborana. Heverina fa eo am-pandaminana tsara ny kipitsopitsony araka ny lalàna aloha ny mpitondra fanjakana vao tena hiroso amin'ny fisamborana. Dingana iray tamin'izany ny taratasy nalefa teny amin'ny HCC. Efa malalaka noho izany ny lalana satria ho mora amin'izay ny manaisotra ny zon'ny kolonely Lylison amin'ny maha loholona azy rehefa tsy mitsivalana ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny didy fampisamborana rahateo efa misy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.