Politique

Hillary Clinton “Roahy ireo diplaomaty mpomba an’i Kadhafi !”


  • Alarobia 29 Jona 2011


 Hentitra ny tenin’ny Sekreteram-panjakana amerikanina, Hilary Clinton, raha niteny teo amin’ny pilipitran’ny Vondrona Afrikanina, tao Adis Abeba ny alatsinainy 13 jona 2011 teo, niantso ireo firenena Afrikanina miisa 53 mikambana eo anivon’ity vondrona kaontinantaly ity mba hanidy ireo masoivoho libiana ao amin’ny taniny avy, ary handroaka ireo diplaomaty mpomba an’i Mouammar Kadhafi, fa hifandray kosa amin’ny Conseil National de Transition (CNT) ao Benghazi, izay ankatoavin’izao tontolo izao hitantana an’i Libia, hanala azy amin’izao fahasahiranana mianjady amin’ity firenena rotiky ny ady an-trano ity izao. Raha ny zava-misy eto Madagasikara aloha tsy mbola mieritreritra ny hanakatom-baravarana ny ambasady libiana etsy Ampandrana ary tsy misy fofompofona fanondroana azy ireo koa. Iray amin’ireo ambasadaoro tonga tetsy Mahamasina nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny an’i Libiana, Younis Bashir Alamouri. Marihina fa i Libia no firenena afrikanina voalohany nalehan’i Andry Rajoelina taorian’ny fanonganam-panjakana nataony ny taona 2009. Ny 16 mey 2009 no niala teto Madagasikara izy hihaona amin’i Mouammar Kadhafi. Namoahan’ny Tribonaly iraisam-pirenena didy fampisamborana iraisam-pirenena ity farany amin’izao fotoana, noho ny famonoana sivily amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika nataony. Mangina tsy andrenesam-peo manoloana izany ny Fahefana avon’ny tetezamita.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT