Politique

Hevitra tera-bary Mifandimby mitondra ny zanaky ny faritany teo aloha


  • Alarobia 15 Septambra 2010


Anisan’ny hevitra nivoaka ho famahana ny krizy ary nipoitra teny amin’ny fihaonambem-pirenena teny Ivato ny hoe : «maninona moa raha ferana ho roa taona ny fotoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, ka mifandimby amin’izany toerana izany ireo faritany enina teo aloha, ary atokana hampandrosoana ilay faritany niavian’ny filoham-pirenena mitondra ny ampahany betsaka amin’ny tetibolam-panjakana». Tena niteraka adihevitra be izy ity ary samy manana ny fomba fijeriny azy ny tsirairay avy. Teo ireo nahita fa azo tanterahana tsara izany rehefa eken’ny maro an’isa, ary mba samy mahazo tombontsoa mivantana amin’ny fanjakana amin’izany ny faritany rehetra. Tao kosa anefa ireo nitsipaka marindrano ity tolo-kevitra ity, satria amin’izy ireo dia fampiraisana no atao fa tsy fampizarazarana. Tena atahorana hampizara sy hampifandrafy ny samy Malagasy tokoa mantsy izany, satria manahirana ny mampiditra ny resaka fiaviana amin’ny raharaha politika sy fitantanana ny firenena. Tao koa no nisarika ny sain’ny rehetra fa tsy fiaviana na firazanana na lokon’ny volon-koditra no tokony hojerena, fa ny fandaharanasan’ilay antoko sy ny kandida atolony.

Efa niaraha-nahita tokoa mantsy fa olona avy any anindran-tany no nitantana an’i Madagasikara nandritra ny 39 taona, saingy niha nahantra isan-taona ny firenena. Mety ho noho izany no nahatonga indray ny Malagasy hifidy olona avy eto afovoan-tany tamin’ny 2001, saingy izao iaraha-mahita izao no niafarany. Midika izany, hoy ireo mpandinika politika fa tsy vahaolana ny resaka fifandimbiasam-pahefana eo amin’ny faritany teo aloha, na ny faritra amin’izao fotoana, ary tena tokony hamafa io resaka io ao an-tsainy mihitsy ny Malagasy raha te handroso sy hanana fiainana tsaratsara kokoa. Ny mpahay tantara dia mahafantatra tsara fa politika nampiasain’ny mpanjanatany Frantsay hampizarazarana ny samy Malagasy ny resaka fiaviana, ka tokony tsy haroboka amin’izany intsony ny rehetra amin’izao andron’ny fiovana izao.

 RTT
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT