Politique

Hetsiky ny Vondron'olontsotra Nipoaka ny sarom-bilany !


  • Talata 12 Jolay 2011

Nanao hetsika fanairana ny fiaraha-mientan’ny Vondron'olontsotra manohana an'Atoa Filoha Marc Ravalomanana sy mitaky ny ara-dalàna tamin’ny sabotsy 09 jolay teo.

 Faritra maro nanerana ny Nosy toa an’Alaotra, Atsinanana, Atsimo Atsinanana … no niara-nanatanteraka io hetsika io mba ho fanahirana ny sehatra iraisam-pirenena sy nanehoan’izy ireo ny fijaliana sy fahoriana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy vokatry ny fanonganam-panjakana ary ny fatotra mangeja ny Malagasy ataon'izao fitondrana FAT izao. Hetsika tambabe ity nataon’ny Vondron'olontsotra ity, ho lakolosy fanairana ireo vahoaka Malagasy mba tsy handriandry manan’aretina manoloana izao loza mihatra amin’ny firenena sy ny fanapotehana harem-pirenena sy ny toekarena Malagasy izao. Tamin’ity hetsika ity dia nisy ny karnavaly nataon’ireo Vondron'olontsotra narahina kapoka vilany, lovia sy sotro nentin’izy ireo nanaporofoana fa efa hatrany am-bilany ny fahantrana, noana ny Malagasy ary tena tsy zaka intsony ny hasarotam-piainana. Koa mitaky tsy misy fepetra ny fampiharana ny fanapahan-kevitra nataon’ny SADC tany Sandton Afrika Atsimo, ny 12 jona 2011 teo izy ireo hodian’ireo sesitany politika rehetra an-tanindrazana tsy misy fepetra, anisan’izany ny Filoha Marc Ravalomanana. Santatra ambavarano ihany iny hetsika tambabe nataon’ny Vondron'olontsotra iny. Nilaza izy ireo fa tsy hijanona hatreto akory fa hitohy ny hetsika. Maro ihany koa ireo fikambanana mijoro hiara-dia sy namaly ny antso nataon’ny Vondron'olontsotra izao ka hanohana ny hetsi-pitolomana izao.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT