Politique

Hetsiky ny “Vehivavy Malagasy mitaky ny ara-dalŕna” Tratra ny tanjona


  • Alarobia 04 Aogositra 2010

Hanamafisana ny firaisankina, hifampizarana vaovao ary hifankafantaran’ireo mpiara-dia amin’ny famerenana ny ara-dalŕna dia nisy omaly ny fiaraha-mitsangatsangana nokarakarain’ny Vehivavy Malagasy mitaky ny ara-dalŕna teny amin’ny “By-pass”.

Anisan’ireo nandray fitenenana sy nanentana ireo mpiara-dia aminy i Lalatiana Ravololomanana. Tamin’izany no nanantitranterany fa “antsika rehetra i Madagasikara fa tsy an’i Andry Rajoelina sy ny forongony. Andry Rajoelina irery no milaza fa milamina ny firenena, hoy ihany ity filohan’ny nasionalin’ny antoko Manda ho an’ny Firaisam-pirenena sady mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert ity kanefa dia “iaraha-mahita fa tsy mahay mampihavana, fa manapotika ny firenena ny tenany ary tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ka ny miala no mety amin’i Andry Rajoelina”, hoy ihany Lalatiana Ravololomanana izay fantatra amin’ny tsy fitsitsiana fitenenana. Aoka isika hanana fahatoniana sy fiombonana satria antsika rehetra i Madagasikara. An’arivony ireo nanoina ny antso omaly, hita teny an-toerana koa ireo lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny ankolafy roa dia ny ankolafy Zafy Albert toa an’i Tabera Randriamantsoa, ny pastera Edouard, ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana toa ireo parlemantera. Fantatra moa fa mbola ao anatin’ny fanamboarana ny kianjan’ny finoana etsy Behoririka, hisy hatrany anefa ny fifamotoanana eny an-toerana manomboka anio. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT