Taorian’ny nanafoanana ny fahazoan-dalana ara-dalàna, famotehana ny ravaka nataon’ny Tiako I Madagasikara teny Mahamasina, fanidiana ny kianja sy fametrahana miaramila mirongo basy, fandrahonana sesilany, dia nivoaka ho mpandresy ihany ny TIM.
Nakarina teo amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny raharaha, ka nivoaka ny didy fa tsy mitombina ny filazana fa mety hiteraka korontana ny fanamarihana ny faha-15 taona niorenan’ny antoko. Mazava izany fa afaka manao ny hetsika an-tsakany sy an-davany ny antoko. Efa nandresy isika tany, ka anio sabotsy 8 jolay 2017 ny fotoana eo amin’ny kianjabe Mahamasina amin'ny 10 ora maraina, hoy ny avy amin’ny TIM. Nanao fanambarana teny Tsimbazaza kosa ny prefektiora omaly takariva, ka namoaka didy vaovao indray fa tsy azo anaovana hetsika ao anatiny sy ivelan'ny Kianjaben'i Mahamasina ny 7, 8 ary 9 jolay 2017. Mikasika ny didy efa navoakan’ny fitsarana, dia nilaza ny "prefet" fa tsy hiresaka momba ny didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana iny akory izy. Aminy dia tsy mbola tapitra ny fe-potoana hahafahany mampiakatra ny raharaha na ny "voie de recours" ananany ao anatin'ny telo (3) andro. Efa fotoam-bita anefa ny an’ny TIM ary efa nahazo rariny teo amin’ny fitsarana, ka tsy hihemotra intsony na inona na inona kajy politika vaovao.Hita sy tsapa fa tena mihoron-koditra, raiki-tahotra amin’ity hetsiky ny Tiako I Madagasikara ity ny fitondram-panjakana koa dia io manaotao foana manimbazimba lalàna io.Efa ny fanjakana mihitsy izany ankehitriny no mampiseho fa tsy misy dikany ny didim-pitsarana ka inona moa izany ny fitoniana sy filaminana azo antenaina eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.