Politique

Hetsiky ny TIM Antsirabe Tratra ny fanamby


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika goavana notontosain’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) Antsirabe I. Tao amin’ny Centre DIANTANA, route d’Ambositra no nanaovana azy ny sabotsy 09 oktobra 2010 teo.

 Vory marobe ireo mpikambana nanerana ny Fokontany 60 mandrafitra ny Distrikan’Antsirabe I. Na tampoka ihany aza ny fifampiantsoana dia tena hipoka sy tsy omby mihitsy ny efitrano malalaky ny Centre DIANTANA io sabotsy io. Anton’ity fihaonana ity moa ny fampahafantarana ny toerana misy ny antoko TIM manoloana ny fifidianana kasain’ny FAT hotontosaina ato ho ato ary koa hanaporofoana fa tsy maty araka ny teny fanarabiana ataon’ny mpomba ny FAT akory ity antoko naorin’ny Filoha Ravalomanana ity. Nisy, araka izany, ny fifandimbiasam-pitenenana nataon’ireo mpitarika izay nahitana ny Senatera teo aloha Lanto Rabenatoandro, notronin’ny Filoha rezionalin’ny TIM Vakinankaratra, ny Solombavambahoaka José Randrianantenaina sy ireo Parlemantera rehetra avy ao Vakinankaratra.

Nazava ny resaka fa tsy mandray anjara ary tsy hampandray anjara ny mpikambana ao aminy amin’izay fifidianana tsy hiaraha-manomana izany ny TIM Antsirabe I sy i Vakinankaratra manontolo mihitsy, araka ny toromarik’ireo mpitarika, satria dia fitaka bevava fotsiny io fifidianana io ary tsy hahazoana velively ny fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy. Na izany aza dia efa vonona ny any amin’ny FokoTIM amin’ny fiomanana amin’ny fifidianana tena izy rehefa tonga ny fotoanany araka ny nolazain’ireo mpandaha-teny.

Tsy ny TIM ihany moa no nandray anjara tamin’ity hetsika ity fa nahatonga solontena tao koa ny antoko MFM izay notarihin’ny Dr Hervé ka nahitsy ny teniny ho an’ny mpitondra FAT. Tsy tafavoaka eo ianareo, hoy izy raha tsy ny filoha Marc Ravalomanana no miverina eto Madagasikara. “Avereno amin’ny tompony ny fahefana nangalarinareo rehefa tsy hitanareo ny lalan-kivoahana”, hoy izy. Ny senatera Lanto Rabenatoandro koa dia nanakiana mafy ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra fa tsy ny fitondrana ireo ben’ny tanàna sy ny sefo fokontany mitsangantsangana isaky ny mihetsika no hitondra fampandrosoana ho an’i Vakinankaratra. Ny vola nolaniana tany Foulpointe sy Miandrivazo maninona raha nanaovana asa mivaingana tany anivon’ny fokontany samihafa any ? Tsy izany mihitsy akory ny hampivadika ireo lehiben’ny Fokontany sy ny Ben’ny tanàna ireo fa rehefa ho avy ny fifidianana dia ho diso fanantenana eo indray ianao, hoy ity senatera teo aloha ity. Nisy moa avy eo ny fampahafantarana ireo vahoaka marobe tonga io sabotsy io ny amin’ireo fanovana goavana, izay tena miendrika jadona sy fampivangogoana ny fahefana amin’ny filoha, voarakitr’ilay lalàmpanorenan’ny FAT arosony hofidiana amin’ny 17 novambra ity.

Nampahafantarina ireo mpikambana TIM koa fa dia nisy ny fametrahana «Coach» isaky ny boriborintany ao Antsirabe, handrindra ny asan’ny Antoko manomboka izao. Hiasa sy hitety Fokontany mihitsy ireo “Coach” ireo ary hampita izay tranga mety miseho any amin’ny Fokontany any ihany koa. Hapetraka manerana ny Faritra mihitsy ity “coach” ity ato ho ato. Marihina fa ankoatra ireo Parlemantera ao Vakinankaratra dia nisy ny solontena avy any amin’ny Distrika koa tonga tao ary nisy koa ny avy any amin’ny distrikan’i Miandrivazo izay naheno ity hetsika ity ka tonga nanotrona ihany koa. Hitohy eny amin’ny Magro Avaratsena moa ny fanehoan-kery ataon’ny TIM Antsirabe manomboka ny sabotsy ho avy izao izay hotarihin’ireto mpitarika tonga marobe ireto. Taorian’ny fivoriana niantsoana tampoka ireo lehiben’ny Fokontany moa dia nanao rodobe tao amin’ny Centre DIANTANA avokoa izy ireo ary dia najoro teny anoloana ho hitan’ny vahoaka fa tsy mivadika amin’ny tolona.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT