Somary nangingina ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana tato ho ato. Araka ny vaovao anefa dia hivoaka amin’ny fahanginany tsy ho ela ireo raiamandreny ara-panahy ao.
Raha nanontaniana momba ny fahitany ny toe-draharaha amin’izao fotoana sy ny mety hoavin’ny firenena Randriamisata Roger, mpitandrina, dia hentitra ny valin-teniny. “Tsy ho mari-pototra izay fifidianana hatao eo. Diso hevitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena raha hiroso amin’izany”, hoy izy. “Aza fitahana ny vahoaka”, hoy izy nanamafy satria tsy tenierana no ampiharina eto fa ny resaka maro an’isa. Sandoka ny filazana fa tenierana eo anivon’ny CENI-T, na ny eny amin’ny Kongresy sy na ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita dia sandoka avokoa, hoy izy.
Avy amin’ny ankolafy Rajoelina avokoa ireo olona lazaina fa avy amin’ny Raimandreny Mijoro sy Finoana fa tsy fiaraha-monim-pirenena, hoy ihany ny pastera Randriamisata Roger. Raha milaza fa mpanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana izy ireo, hoy izy, inona no arahiny maso eo kanefa izy ireo samy izy ireo ihany no ao. Milaza ho mpampihavana ihany koa izy ireo, iza anefa no mpampiady sy nampiady teto, hoy ihany ity mpitandrina ity nametra-panontaniana. Noho izany, hoy ity raimandreny ara-panahy ity dia tsy mari-pototra, tsy misy tena famahana krizy ka dia mbola hiverina amin’ny krizy eto foana raha mbola ireo milaza azy ho mpitondra eto amin’izao ireo no hitondra.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.