Politique

Hetsiky ny mpanao gazety Hamoaka dosie goavambe


  • Alarobia 26 Oktobra 2016

Mbola velona soa aman-tsara ny hetsiky ny mpanao gazety miady ho amin’ny fahafahana na ny M.L.E,

 

 hoy ny mpanao gazety Fetra Rakotondrasoa, nitondra ny tenin’ny vondrona, omaly, tetsy Antanimena. Mbola nohamafisiny fa tsy eken’izy ireo hatrany ny fampiharana ilay fehezan-dalàna vaovao mikasika ny serasera. Nomelohin’izy ireo ihany koa ny fikasihana mpanao gazety, toy izay nitranga tamin’ny mpanao gazetin’ny Free news ny faran’ny herinandro teo. Melohin’ny lalàna izany, hoy izy, ary tsy azo ekena, indrindra indrindra ny hoe mpitandro filaminana tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany no mamono azy ireo indray. Niala tsiny tamin’ny ray aman-drenin’ny niharam-boina moa ny fikambanana. Nangatahan’izy ireo manokana kosa ny fanomezana fanazavana mikasika ny antsojay atao amin’ny haino aman-jery MBS ankehitriny. Toa lasa raharahana jiolahimboto ilay izy satria dia filana sotasota amin’ny alalan’ny onja fanelingelenana no ataon’ny fitondram-panjakana. Lasa misy tombo sy hala, hoy izy ireo, ny fanomezan-dalana hanokatra haino aman-jery. Tsy afaka hipetrapetra-potsiny ihany koa ny M.L.E manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, raha ny fanazavana, ary hamoaka dosie goavambe amin’io herinandro io hampahafantarina ny zava-misy marina amin’ny valalabemandry. Ohatra nolazaina tao anatin’izany moa ny raharaha Soamahamanina sy ny ao Bealalana ary ny trano mijoalajoala “Sun tower”.

Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT