Nivoitra nandritra ny fanambaran’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny CIRGN Analamanga, ny Emmo reg, ary ny prefektiora omaly fa voarara ny mivorivory sy manao fidinana an-dalambe mandritra ny fanamarihana ny 29 martsa.
Midika zavatra goavana io. Hisy ve noho izany ny fandravana ny hetsika isan-karazany sy ny mety ho fisamborana mandritra io andro rahampitso io ? Ho an' ny Zanak’i Dada manokana, hisy ny hetsika goavana hotanterahina etsy amin’ny kianja Magro rahampitso, ka ho vory lanonana eny an-toerana ny rehetra, ary ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana mivady mihitsy no ho avy eny amin’io fotoana io. Tetsy an-kilany, nilaza ny prefen’Antananarivo ny jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian fa tsy nahazo alalana ny hetsika eny amin’ny Magro, ka hisy ny fandraisana fepetra raha misy ny fanelingelenana ateraky ny hetsika. Marihina anefa fa toerana an’olon-tsotra ny Magro ary mifefy. Ny mpitandro ny filaminana eny amin’ny manodidina ny kianja toy izay efa nisy ny sabotsy 25 martsa lasa teo no anjara adidiny. Tsy hisy rahateo ny fivoahana ny kianja fa solontena no mety hanatanteraka ny fametraham-boninkazo. Mampanahy ihany ny mety hisian’ny sakantsakana atao amin’i Marc Ravalomanana mivady tsy hihaona amin’ny mpomba azy eny amin’ny Magro noho ny tanjaka sy hery politika ananany, satria hitodika any aminy avokoa ny mason’ny rehetra. Maro no mahatsapa fa ho takona tanteraka ny hetsiky ny fanjakana foibe, izay efa nanaovana fanambarana manokana mihitsy fa tsy maintsy ny filoham-pirenena no mametraka mialoha izay vao afaka manao ny hafa. Tsiahivina fa herintaona katroka rahampitso ny hetsika notarihin’ny kolonely Lylison sy ny ekipany izay saika hametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny fasan’ny maherifo teny Fort Duchesne, ka nisian’ny fitifirana baomba mandatsa-dranomaso, izay nisy mihitsy no niantefa tamin’ny fiarany, ka nahavaky ny fitaratra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.