Politique

Hetsiky ny MAGRO Amin’ny sabotsy ny fotoana


  • Zoma 24 Martsa 2017

Tsy azo ekena ny don-tandroka isaky ny mihetsika sy ny fampiesonana. Nifanarahana tany am-boalohany fa ajanona ny hetsiky ny zanak’i Dada ao amn’ny Magro Behoririka,

hajaina ny fitondram-panjakana mijoro, ary dia sokafana ny haino aman-jery MBS. Efa ho 3 taona ihany anefa izao ny fitondrana HVM fa dia ny Radio Mada 100.8 FM indray aza no nalainy. Tsy misy MBS mandeha izany fa na ny andrana teknika aza dia nosotasotaina. Noho izany, hiverina hifampita vaovao eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka manomboka ny sabotsy 25 martsa izao ny Zanak’i Dada. Efa mandeha hatry ny omaly antoandro ny fanentanana. Haneho ny heriny ny ankolafy Ravalomanana ary handray ny toromarika vaovao manoloana ny fandraisana andraikitra ho an’ny firenena. Ho avy eny Behoririka avokoa ny zanak’i Dada eto Antananarivo sy ny manodidina, ny solontenan’ny faritra 22 manerana ny nosy sy ireo olobe ao amin’ny Tiako i Madagasikara.

Hafa ihany i Dada

Etsy an-kilan’izay, taorian’ny diany tany Danemark dia nanatrika ny fivorian’ny ACP-UE (Afrique-Caraibes-Pacifique – Union Européenne) tany Bruxelles i Marc Ravalomanana. Vahiny nasaina manokana izy tao ary fantatra fa hanatrika foana izay fivoriana rehetra ataon’ny ACP-UE manomboka izao. Resaka momba ny fifanarahan’i Cotonou ny lahadinika tany Bruxelles. Karazana rafitra iray mandritra ny fifandraisan’i Afrika amin’i Eoropa ny fifanarahan’i Cotonou izay manamarika fa arakaraka ny asa vita ny fanampiana azo. Ilaina hatrany ny fifampiresahana, tsy azo ekena ny fanakorontanana, hajaina ny zon’olombelona ary tsy maintsy irosoana ny ady amin’ny kolikoly. Nihatra nanomboka ny 1 aprily 2003 ny fifanarahan’i Cotonou izay nosoniavin’i Madagasikara. Mbola tena goavana sy to teny i Marc Ravalomanana matoa voaasa amina fihaonana iraisam-pirenena goavana tahaka itony. Ny fialonana miampy tsy fahampian’ny fahalalana angamba no mahatonga ny gazety sy haino aman-jery sasany eto amintsika manaratsy an’ity filoha teo aloha ity, ka ahasahian’izy ireo milaza fa teo anelanelan’ny 2001 ka hatramin’ny 2012 no tena nahasahirana an’i Madagasikara. Efa mazava anefa fa tsy mbola nivoatra sy nandroso ara-toekarena toy ny tamin’ny nitantanan’i Marc Ravalomanana (2001-2009) i Madagasikara, ary azo noporofoina tamin’ny faripiainan’ny Malagasy izany. Taorian’io, noho ny fanonganam-panjakana sy nametrahana ny gaboraraka teto no nampahantra ny firenena. Tsy mbola tara anefa fa misy foana ny vahaolana, maro no mbola azo atao hisorohana ny fandoalihan’i Madagasikara tanteraka. Manana ny fahaizana sy ny traikefa ary fandaharanasa hanatanterahana izany i Marc Ravalomanana, izay efa nilaza fa kandida filoha izy amin’ny 2018 ary tsy hisy hampihemotra azy amin’izany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT