Politique

Hetsiky ny GTT tao Paris Nahavory Malagasy maro


  • Talata 16 Martsa 2010

Nahafinaritra ary nahavelombolo, araka ny fanambaran’ireo mpikarakara, ny fiaraha-mientan’ireo Malagasy tia tanindrazana maro avy amin’ny lafy valon’i Lafrantsa sy Belzika, ary koa ireo avy ao amin’ny Ile de France, izay nanao hetsika lehibe, tao Parisy Place de la Nation ny sabotsy 13 martsa lasa teo.

Tonga naneho ny fanohanana ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana ho eo amin’ny fitondrana, hanohy ny asa natombony izy ireo. Asa nahitan’ny Malagasy taratra ny fandrosoana, nanomboka nanarina ny toe-tsaina gaboraraka teo aminy, vokatry ny taizan’ny fanjanahana ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Ny zava-bita moa dia tsy tantaraina intsony (lalana, fianarana, fahasalamana...), fa efa tena maro dia maro tokoa, ary nihoatra lavitra noho ny hita rehetra hatrizay. Nankahery ny mpitolona tamin’ny alalan’ny fifandraisana an-tariby ny filoha Marc Ravalomanana, izay nankasitrahana sy nihobian’ny mpitolona teo amin’ny Place de la Nation.

Tsy nohadinoin’ny mpitolona koa ny fisaorana ny firenena Afrikanina tatsimo (teo ny sainany), nampiantrano ny filoha no koa nanampy ny tolon’ny Malagasy. Io firenena io mantsy dia mahatakatra tsara izany tolona ho an’ny fahafahana izany, satria efa nandalo izany am-polony taona, ary tsy azon’ny Frantsafrika atao ohatr’ireo tany afrikanina frankôfôna, voatsindry ao amin’ny fanjanahana an-kolaka. Nofaranana tamin’ny fiaraha-manala hetaheta sy fiaraha-misakafo ny fotoana mba hifankahalalana bebe kokoa sy hitohizan’ny tolona ao anaty firahalahian’ny Tia Tanindrazana rehetra.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT