Tsy nanan-tsafidy afa tsy ny niverina amin’ny fanapahan-keviny ny FAT manoloana ny firaisankinan’ireo Ben’ny tanŕna manerana ny nosy izay tsy manaiky ny fanerena fametraham-pialana ireo mbola mikasa hirotsaka hofidiana amin’ny 20 desambra izao.
Namoaka didy hitsivolana mitondra ny laharana 2010 009 ny fiadidiana ny FAT omaly izay milaza fa rehefa eken’ny vaomiera misahana ny fifidianana ny filatsahan-kofidian’ny Ben’ny tanàna am-perinasa vao mametra-pialana izy ireo ary ny lefiny no misolo toerana azy vonjimaika mandra-pandrain’ny Ben’ny tanàna vaovao ny asany. Nivalona hatreo izany ny resaka fametraham-pialana sy ny fametrahana PDS. Omaly tolakandro ihany dia namory ireo Ben’ny tanàna miisa 134 eto Analamanga ny lehiben’ny faritra sy ny ministry ny fanapariaham-pahefana mba hanazavana azy ireo ny votoatin’ilay didy hitsivolana. Na dia tsy mitovy loatra amin’ny fangatahan’ireo Ben’ny tanàna aza ity didy hitsivolana ity dia azo lazaina fa nilefitra ny FAT. Tsy mbola naneho ny heviny momba io fivoaran’ny toe-draharaha io aloha ny filohan’ireo fikambanan’ny Ben’ny tanàna isam-paritra sy ireo komity mpanomana ny fihaonambe izay hotontosaina ny 13 ka hatramin’ny 15 oktobra izao. Araka izany dia mipetraka ho baraingo ity fihaonana ity hatramin’izao. Nanararaotra io fihaonana io ny ministra Hajo Andrianainarivelo nanazava fa ny 30 oktobra no fe-potoana farany azo anaovana fitokanana ho an’ireo Ben’ny tanàna am-perinasa hirotsaka. Nampitandrina koa ny tenany fa tsy hahazo famatsiam-bola amin’ny fanjakana foibe intsony ny Kaominina nahitana fanodinkodinam-bola ka mbola lany Ben’ny tanàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.