Politique

Hetsiky ny Ankolaky Telo Alatsinainy mena anio


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2010

Tapa-kevitra ny Ankolafy Telo fa tsy hanaiky intsony ny tsindry hazo lena sy ny ramatahora ary ny fanaparam-pahefana ataon’ny FAT amin’ny Malagasy izay efa latsaka lalina anatin’ny fahantrana amin’izao fotoana izao.

Nifanao fotoana tao amin’ny Magro Behoririka izy ireo noho izany. Feno hipoka ity toerana ity ny sabotsy 16 oktobra 2010. Nandritra izany no nifanome toky sy nifanao velirano ireo vahoaka ireo fa hanamafy ny tolona ary tsy hijanona raha tsy tafapetraka ny tetezamita ara-dalàna. Araka izany dia hifanao fotoana eny amin’ny Tribonaly Anosy ny Ankolafy Telo anio mba hanoherana ny fitsarana politika izay kasain’ny FAT hatao, mikasika ny raharaha “baomba”, ka maha voasaringotra ireo mpitaritolona ao amin’ny ny Ankolafy Telo, tarihin’i Fetison Rakoto Andrianirina, i Mamy Rakotoarivelo, Rakotoarison Yves Aimé, sns. Araka ny fanazavana dia tsy alatsinainy mainty fandorana sy fandrobana toy ny nitranga ny 26 janoary 2009 anefa izy ity fa “Alatsinainy mena”, ho firedaredan’ny afom-pitiavan-tanindrazana ao ampon’ny Malagasy ho fanavotam-pirenena. Leo sy tofoka ny vahoaka ka vonona ny handray an-tanana ny fiainany ary hanafaka ny firenena eo ambany vahohon’ny mpanongam-panjakana.

Fanentanana ho amin’ny firaisankina, araka izany, no nifanesy tao amin’ny Magro. Tonga eto aho hamarana ny tolona miaraka amin’ny vahoaka, hoy i Lalatiana Ravololomanana. “Na hotsaraina na hotambatambazana im-polo na in-jato aho dia tokana ny tanjona : hametraka ny ara-dalàna eto Madagasikara”, hoy i Yves Aimé. I Fetison Rakoto Andrianirina kosa niteny fa tsy mandry ny saina amam-panahy manoloana ny fahoriana mahazo ny Malagasy. Tsy hanaiky intsony isika, hoy izy amin’izao fampijalina izao satria fitondrana tsy mijery tombontsoantsika vahoaka io, tsy mijery afa tsy ny tombontsoan’ny tenany ka na ny fitsarana aza dia hatao fitaovana hitazomana ny seza.

Hentitra i Fetison Rakoto Andrianirina nilaza fa “niteny isika, nilaza isika, nangataka isika ary efa tonga hatramin’ny fitenenana aza hoe mametraha fialana rehefa tsy mahay mampihavana sy mitady ny tombontsoan’ny mpiray tanindrazana”. Feno tanteraka ny kapoaka, hoy izy. “Koa vonona izahay hiaraka hitsangana aminareo ary hitsangana hamerina indray ny ara-dalàna eto amin’ity Madagasikara ity”. Manomboka izao dia tsy mijanona ao amin’ny Magro Behoririka intsony ny hetsiky ny Ankolafy Telo, hoy izy. “Natao ny fangatahana mba ho eny amin’ny kianjan’ny demokrasia, vono olona no azontsika. Natao ny fangatahana toeran-kafa nolavina avokoa.
 
Nojerena isika nandritra ny volana maro teto amin’ity toerana (Magro) ity. Nikiakiaka isika, tsy misy mahare. Nitabataba fa tsy nisy nandrara, nangataka fa nomena lamosina”. Koa tonga ny fotoana, hoy izy, hilahatra am-pilaminana ary hangataka am-pilaminana isika. Ny ataon’ny mpitondra dia ny mikatsaka ny tombontsoan’ny vahoaka ao aminy fa tsy ny tombontsoan’ny tenany, ka noho izany dia haneho izany am-pilaminana sy am-pitiavana isika.
 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT