Politique

Hetsiky ny ankolafy telo Hofoanan’ny manampahefana tanteraka ato ho ato ?


  • Talata 18 Mey 2010

Tsikaritra ho nitombo isa fa tsy tahaka ny hita tamin’ny herinandro ireo mpitandro ny filaminana nalefa hiambina ny ankolafy telo etsy Behoririka nanomboka omaly.

Fiara be efatra sy 4X4 pick up roa feno miaramila sy polisy ary zandary mirongo fitaovam-piadiana no hita nanamorona ny fefin’ny gara Soarano, ampitan’ny tsenan’ny Pochard ny maraina mandra-piravan’ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka. Tazana ho niatrana tahaka izany ihany koa ireo mpitandro ny filaminana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Raha ny tsiliantsofina re dia ho tahaka izany foana ny fepetra horaisina amin’ny toerana rehetra izay hanaovan’ny ankolafy telo hetsika manomboka izao, taorian’ny fanambaran’ny praiminisitra tamin’ny herinandro sy ny fisamborana an’i Tonton Ambroise teny 67 Ha ny sabotsy antoandro teo. Nilaza mazava moa ny praiminisitra Camille Vital fa tsy hamindra fo intsony amin’ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpidina an-dalambe, izay sokajiany ho mpanakorontana. Hisy avy hatrany ny fepetra tsy maintsy horaisina hoy izy, ary ny tenako manokana mihitsy no handray andraikitra. Midika izany rehetra izany fa tsy afaka ny hihetsika na hivoaka ny toerana misy azy mihitsy ireo ankolafy telo, ary ny mampanahy ny maro aza dia mety ho avy indray atsy ho atsy ny fanagiazana ny tanin’ny Magro etsy Behoririka sy Tanjombato, tahaka ny efa natao tamin’ny teny Ankorondrano. Raha ny tsiliantsofina re ihany, tapa-kevitra tanteraka ny hanafoana ity hetsika fitakian’ny ankolafy telo ity ny mpitondra tetezamita ankehitriny. Mety efa fanombohana izany ny fisamborana tamin’ny sabotsy teo, ary mbola ho avy ato ho ato ny fikarohana sy fisamborana ireo mpitari-tolona nahasahy nanakiana ampahibemaso ny HAT. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT