Politique

Hetsiky ny ankolafy Madagasikara Hiainga isam-pokontany manomboka rahampitso


  • Talata 02 Martsa 2010

Na avy aza ny orana omaly, dia tsy sakana ho an’ireo vahoaka mpanara-dia ireo ankolafy Madagasikara izany fa tonga niara-nientana tao amin’ny Magro ireo mpitolona.

 

“Na dia eo aza ny fanenjehana, dia tsy ho kivy, tsy maintsy hijoro ary tsy maintsy mitsangana isika”, hoy Rakotovazaha Olivier nanoloana ireo vahoaka tao amin’ny kianjan’ny ara-dalàna. Nohamafisin’ny Sekretera jeneralin’ny MFM koa omaly fa dia tsy hisy hanatrika ny fihaonana karakarain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny 04 sy 05 martsa izao ny ankolafy telo : Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy. Izay handeha ho any, araka ny fanazavana, dia efa manala tena tsy ho ao anatin’ny hetsika ho fiarovana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba. Momba ny fanasaziana ireo mpikambana na niray tsikombakomba na koa ireo nanampy ireo mpanongam-panjakana dia nambaran’ity mpitari-tolona ity fa tsy fanenjehana fahatany no hatao fa asiana porofo an-taratasy izany ka dia hapetraka eo anatrehan’ny lalàna, ny Bianco, ny Samifin.
Manana hatramin’ny anio ireo fokontany tsy mbola nahatafajoro ny komity miaro ny satan’i Maputo sy Addis Abeba hanatanteraka izany satria «tsy hisy intsony ny fihaonana aorian’izay anio izay», araka ny fanazavana.  Manomboka rahampitso alarobia dia hiainga avy eny amin’ny fokontany ny hetsika. Karazana fameranana amin’ny ankapobeny no hatao amin’io alarobia io. «Hetsika mialoha ilay sioka tokana io», hoy ihany Rakotovazaha izay nanolo-kevitra ireo Fahefana Avon’ny Tetezamita fa tokony hangataka fifanarahana faha-4 izy ireo raha nisy ny fifanarahana voalohany, faharoa ary fahatelo tamin’ireo nosoniavina tany Maputo.   
 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT