Tsy mbola tapitra ny raharaha loholona Lylison René de Rolland izay namoahan’ny Fitsarana didy fampisamborana.
Raha ny angom-baovao natao dia nandrasan’ny mpitandro ny filaminana fatratra teny Analakely ity loholona ity ny zoma 19 aogositra teo saingy tsy nipoitra. Noheverina fa izy no tao ambadik’iny hetsika iny ka naha maro be ireo mpitandro ny filaminana efa vonona tamin’ny fisamborana. Raha hiverenana ny raharaha Lylison dia filazana ny hanaovana tanàna maty an’Antananarivo tsy tanteraka akory no vesatra hiampangana azy saingy mitohy mandrak’ankehitriny ny fanenjehana. Ny mahagaga anefa dia ren-tany sy ren-danitra ny fanambaran’ireo mpitarika ny DFP (Dinika fanavotam-pirenena) sy AFP (Antso ho fanavotam-pirenena) fa hanongana izao fanjakana izao izy ireo saingy tsy mbola misy ny famoahana didy fampisamborana na fiantsoana teny anivon’ny mpanao famotorana hatreto.
GADRAINA IZAY MITENY
Misesisesy ny fampidirana am-ponja ireo olona sahy miteny eto amin’ny firenena izay toa misy tandindona politika. Ingahy Alain Ramaroson voalaza fa raharaham-pianakaviana no nampidirana azy am-ponja dia nanana olana tamin’ny mpitondra ary mandeha ny feo fa misy dian-tanan’ny mpitondra ny fanagadrana azy. Anisan’ny nanakiana fatratra izao fitondrana izao ny tenany ka mahatonga ny mpanara-baovao mihevitra izany. Tsy nanana olana mivantana tamin’ny fitondrana ingahy Jean Nirina Rafanomezantsoa saingy raha tsiahivina dia tsara fifandraisana tamin’ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo izay efa manana olana amin’ny fitondrana. Hita matetika tany anaty haino aman-jery ary be mpanaraka noho ny fivoizany ny resaka fiarovana vahoaka izy. Mety ho aloka ara-politika avy amin’ny mpitondra ihany koa ve izao fanagadrana azy izao ? Manomboka ny fanagadrana ireo sahy miteny sy miaro ny madinika izay be no miteny fa ny mpitondra no ao ambadika. Hamoaka didy fampisamborana ireo mpitarika ny AFP izay efa nilaza fa hanongana izao fanjakana izao ihany koa ve izany ny mpitondra ato ho ato ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.