Nisy ny fanasoniavana ny dinam-piaraha-miasa nifanaovan’ilay hetsiky ny fiarahamonim-pirenena Rohy na ny rindran’ny olom-pirenena hiarovana ny iaraha-manana tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena Transparency International,
omaly, tetsy amin’ny Cite Ambatonakanga mba hanaovana vain-dohan-draharaha ny ady sy fisorohana ny kolikoly amin’ireo sehatra rehetra misy eto Madagasikara. Araka ny fanazavana dia tohanan’ny fandaharan’asa DINIKA an’ny vondrona eoropeanina izy ity. Teboka telo lehibe no nivoitra io omaly io mikasika ny antony mampikatso ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana dia ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana sy vina, indrindra ny taha avo loatra amin’ny resaka kolikoly. Nilaza ny avy eo anivon’ny Rohy fa dia vonona hanampy ny fitondram-panjakana mba hiadiana amin’ireo lesoka ireo.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.