Nisafidy ny fidinana an-dalambe hanehoany ny heviny ny fikambanana Otrikafo omaly.
Teo Anosy anoloan’ny hotely Carlton ireo mpikambana vitsivitsy no naneho hevitra tamin’ny alalan’ny fizarana trakta sy fanazavana mivantana tamin’ny mpandalo ny tsy fahombiazan’ny fanelanelanan’ny SADC sy ny vondrona iraisam-pirenena izay ambarany fa tsy mikatsaka afa tsy ny tombontsoany. Tondroin-dRajaonah Andrianjaka, filohan’ny Otrikafo ho tompon’antoka amin’ny fikorontanana eto amin’ny firenena ny Dr Leonardo Simao izay ambarany ho sady mahay atsy no mahay aroa. Nahazo ny anjarany koa anefa ny mpanao politika malagasy izay mandohalika eo anatrehan’ny SADC raha ny fahitany azy. «Mampalahelo sady mahatsiravina mihitsy ny mpanao politika satria samy milaza izy ireo fa ny Malagasy no miara-mikaondoha mitady ny vahaolana. Rehefa tonga eto anefa ny iraky ny SADC dia samy miankohoka aminy avokoa ny rehetra, hatramin’ny praiminisitra aza», araka ny fanazavany hatrany.
Manantena ny Otrikafo fa tonga any amin’ireo iantefany avy ny hafatra nampitainy tamin’ny alalan’iny hetsika omaly iny. Tsy misy afa tsy ny famerenana amin’ny vahoaka ny fahefana ihany no ahitana ny vahaolana, hoy ny Otrikafo. Voriana isam-pokontany ny Fokonolona ary izy ireo no mamolavola ny vahaolany sy misafidy koa ny solontenany hitondra ny heviny amin’ny ambaratonga ambony izay mipaka hatrany amin’ny Faritra. Ireo solontenan’ny vahoaka isam-paritra indray no mitondra ny hevitr’ireo valalabemandry nisafidy azy mandritra ny fihaonambem-pirenena. Ao anatin’ny telo volana no hanatontosana ireo dingana ireo izay mitondra amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena satria ny hevitry ny valalabemandry no manjaka. Nandritra ny tapakandro maraina hatramin’ny fiandohan’ny tolakandro ny hetsika notontosain’ny Otrikafo omaly, izay tsy dia nisy mpiraharaha loatra. Nandalo fotsiny ihany mantsy ny olona afa tsy ireo liana amin’ny zava-misy raha nahita ireo sorabaventy sy ny mpitandro ny filaminana tanaty fiara lehibe nijanona teny am-pita.
Yves
Sary : Hetsiky ny Otrikafo tetsy amoron’Anosy anoloan’ny Carlton
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.