Politique

Hetsika MMF Tsy tafiditra teny Mahamasina


  • Alatsinainy 26 Septambra 2016

Fihaonambe no nokasainay hatao tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, hoy ny mpitondra tenin’ny hetsika MMF na ny Malagasy mivondrona ho amin’ny fanorenana, ny sabotsy teo

. Matoa tonga ety amin’ny arabe ny olona dia noho ilay trano mihidy. Tsy hisy hieritreritra hanao fihaonambe eny amin’ny árabe, hoy ny fanamarihan’ity mpitondra teny ity. Nasehon’ireto mpitarika ny hetsika ireto tamin’ny haino aman-jery moa ireo taratasim-pangatahana hanatontosana iny hetsika tamin’ny sabotsy iny. Ny iray alalana avy amin’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ary ny iray kosa ny fangatahana nalefa tany amin’ny prefektiora izay tsy nivaly, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny Emmofar, ny jeneraly Florens Rakotomahanina.

Tsy afaka maneho hevitra

Aiza izahay no afaka maneho hevitra, hoy ireto mpanao politika ireto, raha toa ka tsy afaka mankany amin’ny trano mihidy, tsy afaka mankaiza. Any amin’ny lisea teknika koa tany Fianarantsoa voasambotra. Tsy omby anay intsony ny trano eny Andrefanambohijanahary, hoy izy ireo. Hafampana indray izany ato ho ato ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika.

Mirija   


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT