Politique

Hetsika Magro "Essai" farany ho an'i Andry Rajoelina i Beriziky


  • Zoma 18 Novambra 2011

Monja Roindefo, Camille Vital, Mangalaza Eugène, samy tsy nisy nahatafavoahan-dRajoelina an'i Madagasikara amin'ny krizy, hoy i Rostand Andriampilamanana, filohan'ny filankevi-paritra Ihorombe.

 I Beriziky no "essai" farany ho azy, hoy izy. "Rehefa tsy mahavita dia aleo miala", hoy ihany i Rostand. Mila komandy vaovao ny governemanta vaovao, hoy ihany ity solontena avy any amin'ny Faritra ity. Ankoatra izay, manoloana ny filazana fa ireo mpitandron'ny filaminana ihany no nisafidy izay ho minisitra hitondra azy ireo dia nanao antso avo amin'ny tafika sy mpitandron'ny filaminana i Rostand nanontany azy ireo raha nisy ny fivoriana nanapahana izany na tsia. Aza avela kobonin'ireo mpahazo tombontsoa izany, hoy izy. ho an'i Jeanson, mpikambana MFM moa dia mazava ny resaka manoloana ny fananganana governemanta. "Aza gaga raha hisy fisintahana satria tsy ny hamalifaly an-dRajoelina na i Frantsa no hatao fa hanompo firenena", hoy izy. Anisan'ny fepetra napetraky ny filoha Ravalomanana hidirana ao amin'io governemanta Beriziky io, raha ny fanazavany dia ny fahazoana ny toeran'ny praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny sy ny ministeran'ny fitsarana, izay andry roa lehibe iankinan'ny fahatanterahan'ny andininy faha-20 amin'ilay sori-dalana.

Anisan'ny laharam-pahamehan'ireo parlemantera hiditra amin'io tetezamita tena izy io, araka ny fanazavany ihany ny fankatoavana sy fanekena ny amnistia. Ny eny an-kianja no hanara-maso hentitra ireo minisitra natolotry ny ankolafy. Ho an'ireo mpanara-dia ny Ankolafy telo dia tsotra ny hafatra ho an'ireo hahazo fahefana: "Aza miditra amin'ny fahefana rehefa tsy mahay mifandray amin'ny olona eny an-kianja". Takian'izy ireo moa ny hanomezan'ireo filoha telo lahy tsodrano ireo hiditra ao amin'ny fahefana sy ny hanaovana manampahefana iray tatitra amin'izay asa vitany eny an-kianja indray mandeha isan-kerinandro.
Nangonin'i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT