Politique

Hetsika fanavotam-pirenena Roa naratra, telo voasambotra


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

Nandratra olona indray ny Fat omaly nandritra ny fidinana an-dalambe nataon’ireo ankolafy telo mivondrona ao amin’ny ankolafy Madagasikara teny Mahamasina.

Lehilahy lehibe iray 65 taona no lasibatry ny bala fingotra teo amin’ny lohany ka voatery nampidirina hopitaly etsy amin’ny Hjra Ampefiloha. Tsy nijanona tamin’ny fandefasana etona mampilatsa-dranomaso mahery vaika fotsiny mantsy ireo mpitandro ny filaminana nentina fiara vaventy telo lehibe fa mbola nitifitra sy nisambotra olona ihany koa. Telo no lasan’izy ireo. Ho setrin’izay dia polisy iray nanao fanamiana, sady nanao teny tsy voatandrina, no niharan’ny hatezeram-bahoaka raha iny nihaodihaody eran’ny tanàna iny. Naratra mafy ny lohan’ity farany ary vaky ihany koa ny vavany ka voatery naiditra hopitaly. Paikady vaovao indray no nizoran’ny ankolafy telo nanomboka omaly dia ny fidinana an-dalambe ho fanavotam-pirenena sy fitakiana ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. Vao nanomboka anefa ny tolona dia vava basy no niandry ny tsirairay avy izay samy tsy manaiky ny hiharan’ny sazy noho ny fiziriziriana ataona ankolafy tokana. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro tany ho any no nanomboka ny fanenjehana ireo vahoaka mitaky ny ara-dalàna ka tsy vitsy ireo niparitaka nihazo ny kianjan’ny fampihavanana ao Mahamasina. Teny Analakely indray moa izy ireo no nilaza hifamotoana io omaly folakandro io saingy ny mpitandro ny filaminana no tonga aloha.

 
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT