Politique

Hetsika fanavotam-pirenena Mitohy ny hetsiky ny ankolafy telo


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

Na dia teo aza ny famoretana, ny fisamborana ary ny faharatrana, dia tratra ny tanjona tamin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean Louis.

Fanombohan’ny fidinana an-dalambe iny. Tamim-pilaminana sy tamim-pahasahiana no nanatontosana izany, kanefa dia famoretana no setriny, hoy izy, saingy “tsy hampihemotra ny vahoaka ny famoretana”, araka ny fanazavana ihany. Dingana hafa indray no hatao amin’ity anio ity. Hitohy hatrany ny fidinana an-dalambe, araka ny vaovao saingy hiova kely. Hiainga isam-pokontany hatrany ny hetsika ka ireo Komity eny anivon’ny fokontany no manome ny toromarika amin’izany. Toerana 15 no hifamotoanana raha ny anio. Fanombohana ihany ny omaly, araka ny fanazavana fa manomboka amin’ity herinandro ity ny hetsika an-dalambe no hisehoany, rehefa nialana ny Magro Ankorondrano. Momba ny sazy indray dia heverin-dRakotoamboa Jean Louis fa mbola hivoatra be izany, arakaraka ny hisehoan’ny habibiana. Araka ny fanazavany dia anisan’ireo hiharan’izany sazy izany ireo rehetra nanakana ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba. Mbola betsaka ireo mpiray petsapetsa, araka ny fanazavana ihany.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT