Politique

Hetsika etsy amin’ny Magro Behoririka Miompana amin’ny fitsenana an’i Dada manomboka izao


  • Alatsinainy 25 Jolay 2011


 Miomana amin’ny fitsenana an’i Dada ny ao amin’ny kianjan’i Magro Behoririka ao ankehitriny. Nanomboka tamin’ny sabotsy 23 jolay teo ny fanatontosana ny hetsika samihafa nifandraika tamin’izany. “Mivonona koa isika isan-tokantrano” , hoy i Ignace nanampy izany fanentanana izany. Ny lehiben’ny Ankolafy Ravalomanana any Bongolava izay efa nigadra in-4 noho ny raharaha politika, Atoa Herijaona no mbola nanamafy koa fa : “tsy miomana amin’ny fifidianana izany izahay i Bongolava fa miomana fatratra kosa amin’ny fitsenana an’i Dada”. Tsy nisy valaka tamin’izay voalaza teo izany ny nambaran-dry zareo avy any Mananjary Fianarantsoa.

“Ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka any atsimo dia vonona sy manentana ny vahoakany hitsena ny Filoha Ravalomanana”, hoy ny hafatra nentin’i Sazalahy Tsianihy tamin’io sabotsy io. Vao mainka nitombo ny fanantenan’ny rehetra tamin’ny filazan’ny Filoha Marc Ravalomanana nivantana an-telefaonina tamin’io sabotsy io fa : “tsy ho ela intsony aho dia tonga fa manana faharetana kely”. Fa nanaitra ny maro kosa ny tati-baovao heno tao Behoririka tamin’io sabotsy 23 jolay io, ny amin’ny fikasana hamindra toerana ireo manamboninahitra voafonja eny Tsiafahy rehefa tsy azo notambatambazana. Mampanahy, hoy ny nampita ny vaovao ny teny an-toerana, ny hoavin’ireto manamboninahitra tsy mitovy hevitra amin’ny FAT ireto intsony.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT