Politique

Hetsika eny amin地y kianjan地y Finoana Nitohy hatrany na teo aza ny dinik段 Carlton


  • Sabotsy 14 Aogositra 2010

滴anenina foana izay misaraka amintsika�, hoy i Joachim solontenan地y mpitolona avy any Mahajanga. Fotoanan地y fandresena izao, hoy izy ka samia mifaly. Tsy nofoanana ny hetsika tao amin地y kianjan地y Finoana Magro Behoririka na dia nisy aza ny fivoriana fiaraha-mientana nataon地y Ankolafy Telo ao amin地y Carlton Anosy ny zoma 13 sy sabotsy 14 aogositra.

Ato amin’ny kianjan’ny finoana ihany ahitana vahaolana hialana amin’ny krizy, hoy ny Pasteur Edouard (Ankolafy Zafy Albert), matoa mbola misy olona ato. Mitodika ato ny mason’izao tontolo izao ka aoka ho mendrika amin’izany isika, hoy izy. Tonga eo amin’ny kihon-dalana lehibe isika izao ka mahaiza mamindra sao dia ho lasa any amin’iny lalana iny izay lalan-diso tanteraka. Marihina fa tsy dia tazana tao amin’ity kianjan’ny Finoana ity tao anatin’ny fotoana naharitraritra ihany izao (efa am-bolana vitsivitsy) ny mpitari-tolona mpandaha-teny malaza toa an-dry Camille Mektoub sy Tabera Randriamanantsoa samy avy amin’ny Ankolafy Zafy Albert. Ny antony, araka ny fanazavana azo dia mamita iraka any amin’ny Faritra ivelan’Antananarivo izy ireo manazava amin’ny olona ny tena zava-misy marina amin’ny fiatrehana ny tolona aty Antananarivo. Politikan’ny Ankolafy Zafy Albert manokana ny manatona ifotony ny vahoaka mitondra izany fanazavana izany. Mananjary no fari-piadidiana nandehanan’i Camille Mektoub ary mbola hamonjy azy any koa Ingahy Tabera rehefa mandalo vetivety eto Iarivo ankehitriny. Miandry ny tena mpitari-tolona ny mpanao fihetsiketsehana fa ny nampahomby ny tolona hatramin’izany na tsy maintsy misy aza ny fivoriana atrehana isan’andro dia tsy maintsy tonga eny an-kianja mamarana ny kabary hatrany ny tena mpitarika azy. Toy izany no niseho tamin’ny tolona 72 sy 91 ary ny taona 2002 sy 2009. 

E.R – Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben窶冢y tanテ�na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonnテゥ Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben窶冢y tanテ�na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ツォ Betsaka ny zava-bitako,ツサ

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT