Politique

Hetsika an-kalamanjana Antso an’efitra ny an’ny foloalindahy


  • Alakamisy 15 Aprily 2010


Rakotra olona tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly alarobia 14 aprily, andro voalohany nifamotoanan’ny ankolafy telo hifanentanana sy hifampitana vaovao rehefa nobahanan’ny miaramilan’ny Emmo-Reg tsy ho azo idirana, araka ny baiko azon’izy ireo, ny kianjan’ny demokrasia eny Ambohijatovo ary rehefa nodidian’ny Fitsarana, araka ny fangatahan’ny Antenimieran’ny Varotra, tsy ho azo idirana ihany koa ny kianjan’ny Magro Ankorondrano. Vao mainka nampirohotra ny olona hivory an-kalamanjana ny antso fiangaviana nataon’ny foloalindahy, hampiato ny fidinana an-dalambe nataony ny alatsinainy 12 aprily 2010 teo. Antso an’efitra ny azy ireo, porofon’izany ny nahitana ireto Malagasy nifanitsakitro ara-bakiteny raha ny tao anaty fefy, ary nifanaretsaka ny teny ivelany tsy tafiditra, te haneho hevitra sy mitaky fahalalahana. Ary vao mainka nampientana azy ireo ny teny fanentanana sy ny fanomezan-toky nataon’ireo mpitarika izay tonga maro tao Behoririka, toy ny hoe “tsy maintsy tafody an-tanindrazana i Marc Ravalomanana sy i Didier Ratsiraka”, araka ny nambaran’i Zafilahy Stanislas sy ny filazan’i Olivier Rakotovazaha, hoe “atao veloma i Andry Rajoelina raha mbola miziriziry”. Fa niditra mivantana an-tariby nandritra ity fihaonana voalohany tao amin’ny toerana ao amin’ny Magro ity sady namarana ny andian-kabary omaly ny filoha Marc Ravalomanana, nanaovany antso hanamafisana ny fifampitsokisana. Hamory ireo andrimasom-pokolona ao Bel’air ny mpitarika manomboka anio, araka ny fanazavan’i Jean Louis Rakotoamboa, mialoha ny fihaonana eny Behoririka. Handresy lahatra ny mpitantana ny tanàna sy ny mpitandro ny filaminana koa izy ireo, satria mikasa ny hihazo ny kianjan’ny demokrasia ao Ambohijatovo ny ankolafy telo amin’ny sabotsy izao.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT