Politique

Hetsik’i Monja Efa niatrana ny RFI hiaro azy ?


  • Talata 16 Novambra 2010


Nandritra ilay hetsika nokasain’i Monja Roindefo, Praiministry ny FAT teo aloha, hatao teny Ankorondrano, ny sabotsy 13 novambra teo dia fantatra fa efa niatrana teny ihany koa ny miaramila iray kamiao hiaro azy. Tsy tanteraka anefa ilay fiantsoana ny mponin’Antananarivo noho ny fandrarana sy ny antsojay natao tamin’ny mpikarakara. Hatramin’ny mpanakanto mantsy dia fantatra fa nisy kolonely iray am-perinasa nandrahona azy ireo. Mikasika ireo miaramila avy amin’ny RFI Ivato indray dia ny komanda Roger Luc no nitarika azy ireo ary tetsy amin’ny Jumbo Ankorondrano izy ireo no niatrana niandry ilay fihetsiketsehana. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nisy fifamaliana teo amin’ity farany tamin’ny finday sy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny foloalindahy noho izao nitondrany miaramila izao. Valin-teny tsotra moa no nambarany tamin’io tompon’andraikitra io fa «namany i Monja Roindefo ka tsy maintsy miaro azy izy». Ho hita eo ny tohin’izany rehetra izany. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT