Politique

Hetsi-panoherana Iharan’ny zarazarao hanjakana


  • Sabotsy 27 Aogositra 2016

Marolafy ny hetsi-panoherana politika niseho teto amin’ny firenena tato ho ato.

Nanaraka izay koa ny mpitarika. Misy ny mipoitra tampoka. Toa nifaninanana mihitsy ny manangana sy mitarika hetsika politika. Teraka ny “Mitsangana ry Malagasy”, “Dinika ho Fanavotam-Pirenena”, “Antso ho Fanavotam-Pirenena”, “Malagasy Miray Feo” .... Rehefa henoina ny filazan’izy ireo, dia mitovitovy tanjona : leo dia hanova mpitondra. Hatreto aloha, mbola samy any an-tany fiadiana any avy fa tsy mbola misy tonga amin’ny tanjona. Lany andro am-pisikinana sy fitsitokotokoana ny mpanohitra, samy te handeha irery sy te ho lohany, ary ahiana ho tratry ny lazon’adin’ny zarazarao hanjakana, ka lany hery mitsefotra isaky ny miainga. Mety ho izay no mampangina ny HVM antokon’ny fitondrana satria mety aminy ny zava-misy. Tsy hampihontsona azy mantsy ny hetsika ataon’ny mpanohitra raha mbola mitsitokotoko toy izao endrika isehoany izao. Misy aza ny mpandinika milaza fa ny mpitondra no mamorona ny paikady hampisamatsahamahana ny mpanohitra ka tafalatsaka ao anaty vovo izy ireo. Dradradradraina ny fitiavan-tanindrazana sy ny tolona hanavotana ny firenena kanefa ny samy Malagasy izay milaza fa samy tia tanindrazana aza mbola manaiky zarazaraina, raha ny fihetsiky ny mpanohitra no jerena. Raha tena tia firenena dia efa ela no nanambatra hery fa ny hita dia sarimihetsika mba hahazoana seza no tanjon’ny ankabeazan’ireo milaza ho mpitolona. Sady tsy misy hery no tsy mahasahy miatrika fifidianana ka fandrebirebena saim-bahoaka sisa no handraisan’ny fiarahamonina azy.

                                                                                                                                 Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT