Hatramin’izao aloha dia fantatra fa miasa mafy ny CNOSC eo am-panomanana ny mety ho fampihaonana indray ireo ankolafy politika samihafa eto amin’ny firenena ho famahana ny krizy.
Araka ny fantatra dia hantsoina amin’izany avokoa ireo vondrona politika rehetra misy fa tsy hoe ny ankolafy efatra ihany no hiady hevitra sy hiara-kikaroka ny marimaritra iraisana. Efa maro ihany koa ireo mpanao politika milaza fa vonona ny handray anjara mavitrika amin’izay mety ho fihaonana tsy maintsy hitranga amin’ny voalohandohan’io volana novambra io. Tsy vitsy koa anefa ireo mieritreritra fa somary tara ihany ity hetsika karakarain’ny CNOSC ity, anisan’ireny i Hery Rakotobe, sekretera jeneralin’ny antoko Grad Iloafo sady mpikambana ao amin’ny CST. Araka ny fahitany azy dia efa maro ihany ny fihaonana politika teto, ka singanina amin’izany ny teny Ivato sy Vontovorona, izay nofehezina tamin’ny alalan’ny fifanarahana politika nosoniavina antoko 100 mahery, izay antoko madinika sy vao noforonina ny ankamaroany.
Teo ihany koa ny fifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny Escopol, ka tsy tokony hisy intsony, arak’izany ny fivoriana hafa indray hanasana ny mpanao politika satria lasa fandanian’andro sy famerenana ny zavatra efa natao fotsiny izany hoy i Hery Rakotobe. Mitovy tadin-dokanga tanteraka amin’ireo nahazo seza ao anatin’ny CT sy ny CST ity sekretera jeneralin’ny Grad Iloafo ity amin’ny filazana fa efa mitsangana amin’izao fotoana ny rafitra ao anatin’ny tetezamita ka any anatin’ireny indray no tokony hiady hevitra fa tsy ety ivelany intsony. Raha ny fahafantarana azy hatramin’izay dia olon’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fisokafana i Hery Rakotobe, ary tsy mandà mihitsy ny fifampiresahana ny fifanakalozan-kevitra.
Anisan’ireo mpanao politika nandray anjara tamin’ny karazana fihaonana an-databatra boribory teny Faravohitra izy tamin’ny fiandohan’ny krizy, hita foana tamin’ireo karazana fivoriana sy fihaonana ihany koa ny tenany. Ankehitriny anefa dia toa nivadi-dela no fahitan’ny maro azy rehefa nahazo seza ka mitsipaka indray ny fifampidinihana. Ny hita sy tsapa ihany koa dia karazana very fanahy mbola velona ihany ny mpikambana ao amin’ny antoko Grad Iloafo satria samy manana ny heviny sy ny fomba fijeriny ireo mpitarika, ny filoha mpanorina Tovonanahary Rabetsitonta ohatra, dia mitovitovy fomba fijery amin’ny Ankolafy Telo na dia tsy tonga eny amin’ny Magro mihitsy aza. Razafimahefa Herimanana moa nisintaka tanteraka ka nanangana ny antokony dia ny Fanarenana, ary dia efa manompo tanteraka ny FAT. Ity indray izao i Hery Rakotobe fa manomboka maka toerana tsimoramora ao anatin’ny fitondrana tetezamita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.