Manamafy i Hery Rakotobe, Sekretera jeneralin’ny antoko Grad Iloafo sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) fa ilaina dia ilaina tokoa ny hisian’ny fitoniana politika eto mba hahafahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fiampitana any amin’ny Repoblika faha-4.
Mila fepetra araka ny lalàna mazava anefa izany, hoy izy, fa tsy vitan’ny resabe fotsiny. Izay indrindra, araka ny filazany no nananganana ny fahefana mpanao lalàna eo anivon’ny tetezamita dia ny CT (Kongresy) sy ny CST. Ao no tokony hisian’ny adihevitra isan-karazany amin’ny famolavolana ireo karazana fehezan-dalàna hifehy ny sehatra isan-karazany tahaka ny fifidianana, ny famotsoran-keloka, ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety. Nanamarika anefa izy fa efa tena latsaka an-katerena ny firenena ka noho izany dia mila vitaina ao anatin’ny fotoana fohy izy io satria hisy akony ratsy amin’ny toekarena. Mahafantatra tsara izany moa i Hery Rakotobe satria dia manampahaizana momba ny toekarena ny tenany.
Maro no mitovy hevitra amin’ity mpikambana ao amin’ny CST ity momba ny fametrahana haingana ity fepetra araka ny lalàna ity saingy ny ahiahin’ny maro fotsiny dia ilay hoe tena avy amin’ny fifanakalozan-kevitry ny maro an’isa sy ireo olona voakasika mivantana marina ve izany ? Ho avy mantsy izao ny fifidianana voalohany amin’ny 17 novambra, tsy mbola mazava tsara amin’ny olona anefa hoe lalàna mifehy ny fifidianana tahaka ny ahoana moa no ampiharina amin’io. Manjavozavo be io resaka io na dia niezaka nitety faritra nanazava ny sain’ny mpiray tanindrazana aza ny tao amin’ny CENI. Eo koa ohatra ilay lalàna hifehy ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety izay toa nisy namolavola tsimoramora tany ambadimbadika tany ary ezahana holaniana haingana eny amin’ny parlemanta, hono, araka ny resaka mandeha.
Efa mijoro hanohitra izany moa ny mpanao gazety ary mbola raharaha mitohy izy io. Ny ohatra fahatelo farany raisina dia mikasika ny fanaovana politika. Afaka manao izay tiany ireo mpanao politika ary resabe fotsiny ny hoe etika sy “déontologie” fa dia manjaka ny vola sy ny fizarana seza ary ny famadihana palitao. Fa ambonin’ireo rehetra ireo dia andrasan’ny rehetra fatratra ny fandinihan’ny parlemanta ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, izay dingana iray tsy maintsy andalovana mialoha ny fampihavanam-pirenena. Koa mipetraka eto ny fanontaniana hoe ahoana no hahafahana mandamina izany rehetra izany ao anatin’ny fotoana fohy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.