Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy tokony ho kandida intsony


  • Sabotsy 04 Martsa 2017

Efa mazava ankehitriny fa iray amin’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ny filoha am-perinasa, raha dinihina amin’ny fihetsiny tato ho ato.

 

          Sesilany ny fitetezam-paritra sy ny endrika propagandy (fizarana zavatra, sary goavambe mirentirenty) mialoha ny fotoana, mba ho fandresen-dahatra ny vahoaka hifidy azy fanindroany. Tsy mora ny mitondra firenena saingy voaporofo fa ity fitondrana ity no tena vao mainka namotika an’i Madagasikara raha mbola samy mpitondra, ka fotoana fohy monja dia nilatsaka ambany dia ambany ny fankafizana sy fahatokisan’ny Malagasy an’i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany. Tsy voafehy sy ratsy tantana ny firenena, ka mirongatra ny fitsaram-bahoaka, midangana ny vidim-piainana, ny kolikoly amin’ny endriny rehetra kosa manjaka, lohalaharana ny mpitondra, indrindra fa ireo olona akaiky ny filoha izay mitombo harena andro aman’alina. Ny fivarotana tanindrazana tsy resahina intsony... Tsy fantatra mazava ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena ary adino tanteraka ny fahoriam-bahoaka. Ny filoha aza efa nanao teny naneso sy nanao tsinontsinona ny vahoaka, ka nilaza hoe “Porofoy amiko fa mahantra ny Malagasy ?”.  Zary fialana bala sy fanilihana ny olana rehetra any amin’ireo mpitondra nifanesy no anton-draharaha, fa tsy mijoro ho tompon’andraikitra. Mbola miziziry ny hirotsaka hofidiana ihany anefa i Hery Rajaonarimampianina. Mailo amin'izao fitondran'ny HVM izao anefa ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon'antoka ka mety tsy handrotsaka vola be eto. Ny eto an-toerana koa anefa manify ny eo am-pelatanana. Izany ve no mbola misora-tena fa afaka hampandroso an'i Madagasikara ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT