Efa tena tsy mahatoky sy tsy resy lahatra amin’ny filoham-pirenena intsony ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao
. Midika izany fa sarotra ho azy ny mbola hiverina amin’ny toerany amin’ny taona 2018 raha toa ka mbola ho anisan’ny mpifaninana ny tenany. Ny zavatra hita anefa ankehitriny dia mbola mitetika mafy ny hitazonany ny sezany izy sy ny antokony. Atahorana mafy, araka izany, ny mety tsy hampangarahara ny fifidianana. Iaraha-mahalala rahateo fa mbola miankin-doha amin’ny fanjakana ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) ary toa mbola anarana fotsiny ilay mahaleotena hatreto. Ny lafiny ara-bola no tena mbola iankinan-doha ka mety ho azon’ny mpitondra fehezina amin’izay tiany hanaovana azy io rafitra io.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.