Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy atokisan’ny vazaha, tsy tian’ny Afrikanina


  • Alarobia 19 Oktobra 2016

Efa mazava tato anatin’ny roa taona sy tapany izao fa tsy atokisan’ireo mpamatsy vola mahazatra avy any ivelany i Hery Rajaonarimampianina sy ny fitondrana tarihany.

 

 Izany no antony mampitarazoka ny asa goavana fampandrosoana ny firenena sy mampitsitokotoko ny vola fanampiana tonga izay mifantoka amin’ny sosialim-bahoaka tena maika fa tsy misy resaka fandaharanasa goavana. Ankehitriny, voaporofo indray tamin’ny alalan’ity fihaonana an-tampony faha-19 an’ny Comesa ity fa tsy dia azoazon’ireo mpitondra Afrikanina ihany koa i Hery Rajaonarimampianina. Zara raha nisy filoham-pirenena roa dia i Robert Mugabe filohan’i Zimbabwe sy Edgar Chawa Lungu filohan’i Zambia no tonga teto Antananarivo ka manatrika ny fivoriana. Solontena, izany hoe na filoha lefitra na praiminisitra na minisitry ny raharaham-bahiny no iraka nalefan’ireo firenena Afrikanina 19 hafa, na dia ny nosy Maorisy sy Kaomoro ary i Afrika atsimo izay tena manakaiky antsika aza dia solontena no tonga eto fa tsy ny filoha. Azo itarafana ny mbola fahasahiranan’ny fitondrana Malagasy mametraka ny toerany eo amin’ny sehatra rezionaly sy iraisam-pirenena izany no sady azo ilazana fa hamaivanin’ny any ivelany ny mpitondra an’i Madagasikara amin’izao fotoana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT