Raha fanadiovan-tena sy fakana ny fon’ny vahoaka no tanjon’ny filoha Ankehitriny Hery Rajaonarimampianina tamin’ny famoronana ilay fandaharana antsoina hoe “Le Rendez-vous” na “Fotoam-bita” any anaty tambajotra “Youtube” sy ny tambajotra fesiboky, dia vao mainka vely kanota no mahazo azy.
Sesilany ny kiana ao anatin’ny pejin’ny fesiboky noforoniny. Ny amin’ny 95% amin’ireo fanehoan-kevitra dia teny mafy sy masiaka ary fanakianana. Misy mihitsy no sahy manompa variraraka sy manao teny tsy fampiseho masoandro miantefa amin’ingahy filoham-pirenena. Re ihany koa fa na ny mpikambana sasany anaty governemanta aza dia tsy resy lahatra firy amin’io “Fotoam-bita” an’ingahy filoha io. Hafatra maro miantefa amin’ny filoha ankehitriny ny hoe tsy mety amin’ny Malagasy intsony izy sy ny mpiara-dia aminy. Sesilany ny hoe diovy aloha ireo manodidina ary aza sakanana ny fanadihadiana ireo dosie maro mikasika kolikoly mahasaringotra ireo tandapa maro, saingy tsy misy setriny avy amin’ingahy filoha ireny. Hatramin’izay tsy hita izay natao fa efa 3 taona aty aoriana manakaiky ny fifidianana vao miezaka manadio tena saingy notsenain’ny fahafaham-baraka tanteraka. Raha ny fanehoan-kevitry ny olona ivelan’ny fikirakirana ny “internet” ihany koa dia tahotra vahoaka sy fanaovana kabary tsy valiana no anton’ny nisafidianan’ny filoha ny resaka serasera any anaty tranonkala, izay mbola vitsy ny Malagasy afaka hisitraka azy. I Hery Rajaonarimampianina izao no tonga amin’ilay fitenenana hoe manao voakiana, tsy manao voakiana. Efa ny 90%-n’ny Malagasy mantsy no tsy tia sy tsy mankasitraka ary tsy mila azy mitondra sy mbola hitondra an’i Madagasikara intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.