Politique

Hery Rajaonarimampianina Tena miasa, hoy i Rija Razafimandimby


  • Alarobia 31 Mey 2017

Nahazo vahana teto amintsika ny fanaratsiana ny mpitondra tato ho ato, hoy i Rija Razafimandimby mpanao politika. Anisan’izany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izay nomarihiny manokana fa hatao mihitsy izay fomba entina hamotehana azy.

  Ny zavatra tokony hotsapan’ny tsirairay anefa dia tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiainany ao an-tokantrano ny isam-batan’olona. Rehefa vonona ny hampandroso ny tenanao ianao dia mandroso ho azy ny tokantranonao sy ny manodidina anao. Ny zava-nisy hatramin’izay dia ny mpanakiana no be dia be hany ka ny 12 %-n’ny Malagasy irery ihany no tena vonona ny handray andraikitra. Misy ireo mikatsaka hatrany ny fanakrontanana ka mitarika vahoaka hidina an-dalambe mba hanonganany fanjakana izay ho an’ny tombontsoany irery ihany fa tsy ho an’ny rehetra. Ny isaorana anefa dia ny fahendren’ny vahoaka Malagasy izay tsy manaiky rebireben’ireo mpanao politika  zatra ny lalan-dririnina intsony. Tena miasa ny filoham-pirenena saingy maro ireo minia mikipy manoloana izany sy manely tsaho ratsy mahakasika azy sy ny governemanta tarihiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT